Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Fitory Modely

Fomba Fitory Modely

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Fanontaniana: Raha misy manontany anao hoe iza avy no mipetraka any an-danitra, dia ahoana no havalinao?

Andinin-teny: Jn 8:23

Atolory ilay izy: Resahin’ity gazety ity fa nampahafantarin’i Jesosy sy ny Rainy antsika hoe iza avy no mipetraka any an-danitra.

AMPIANARO NY TENA MARINA

Fanontaniana: Araka ny hevitrao, miresaka momba ny zava-misy amin’izao ve ity faminanian’ny Baiboly ity?

Andinin-teny: 2Ti 3:1-5

Ny Tena Marina: Tanteraka ankehitriny ny faminanian’ny Baiboly momba ny andro farany. Matoky koa àry isika fa ho tanteraka ilay faminaniana hoe ho tsara ny fiainana amin’ny hoavy.

NAHOANA IANAO NO TOKONY HIANATRA BAIBOLY? (Video)

Teny Fampidirana: Misy video fohy ity manazava hoe ahoana no ahazoana valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana manahiran-tsaina momba ny fiainana. [Alefaso ilay video.]

Atolory ilay boky: Resahin’ity boky ity izay lazain’ny Baiboly fa hataon’Andriamanitra mba hamahana ny olana eran-tany. [Apetraho ny boky Ampianarina na ny boky Ianarana.]

MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO

Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.