Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 JAONA 1-13; 3 JAONA 1-14JODA 1-25

Mila Miady Mafy Isika mba Tsy Hiala Amin’ny Fahamarinana

Mila Miady Mafy Isika mba Tsy Hiala Amin’ny Fahamarinana

Jd 3

Nampirisika antsika i Jesosy hoe: “Miezaha mafy dia mafy hiditra amin’ny varavarana tery.” (Lk 13:24) Te hilaza izy hoe mila miezaka be isika raha te hampifaly an’Andriamanitra. Nilaza zavatra mitovitovy amin’izany koa i Joda, rahalahin’i Jesosy. Nanoratra izy hoe tokony “hiady mafy hiaro ny finoana” isika. Mila miezaka mafy isika raha te...

  • handositra ny fijangajangana.—Jd 6, 7

  • hanaja an’ireo manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana.—Jd 8, 9

  • hiorina amin’ny ‘finoana masina indrindra’, izany hoe hifikitra amin’ireo fampianarana kristianina.—Jd 20, 21