Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Fantatr’i Jehovah Izay Ilaintsika

Fantatr’i Jehovah Izay Ilaintsika

Manome antsika sakafo ara-panahy “amin’ny fotoana mety” ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. (Mt 24:45) Hita avy amin’izany hoe fantatr’i Jehovah izay ilaintsika, satria izy no mitarika an’io mpanompo io. Anisan’ny manaporofo an’izany ny fivoriamben’ny vondrom-paritra sy ny fivoriana andavanandro.

JEREO ILAY VIDEO HOE TATITRA AVY AMIN’NY KOMITIN’NY FAMPIANARANA 2017, ARY VALIO IRETO:

  • Tena tiantsika ny fivoriambentsika sady tonga amin’ny fotoana mety. Iza no tokony hoderaintsika noho izany, ary nahoana?

  • Oviana no manomboka ny fanomanana ny fivoriambe iray?

  • Ahoana no isafidianana an’ireo hevitra horesahina amin’ny fivoriambe?

  • Inona avy ny fanomanana mila atao?

  • Ny fomba fianatra amin’ny Sekolin’i Gileada no ampiasaina rehefa mikarakara ny fivoriana andavanandro. Hazavao.

  • Sampan-draharaha samihafa no miara-miasa rehefa manomana ny Tari-dalana ho An’ny Fivoriana. Inona avy no ataon’izy ireo?

Inona no tsapanao noho ireo sakafo ara-panahy omen’i Jehovah antsika?