Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | APOKALYPSY 1-3

“Fantatro Izay Ataonao”

“Fantatro Izay Ataonao”

1:20; 2:1, 2

  • “Ny kintana fito”: Ireo anti-panahy voahosotra, ary azo ilazana an’ireo anti-panahy rehetra koa

  • “Eo [an-tanan’i Jesosy] havanana”: Manana fahefana feno amin’ireo kintana fito i Jesosy, ary izy no mitarika azy ireo. Raha hitany hoe mila fanitsiana ny anti-panahy iray, dia hanitsy azy izy. Hanao an’izany amin’ny fomba hitany fa mety sy amin’ny fotoana mety aminy izy

  • “Ny fitoeran-jiro volamena fito”: Ny fiangonana kristianina. Nanazava ny tranolay masina ny fitoeran-jiro. Manome hazavana ara-panahy hoatr’izany koa ny fiangonana. (Mt 5:14) Toy ny hoe “mandeha eo afovoan’ny fitoeran-jiro” i Jesosy, satria manara-maso an’izay atao eo anivon’ny fiangonana tsirairay