Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | APOKALYPSY 4-6

Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra

Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra

6:2, 4-6, 8

“Nivoaka handresy” i Jesosy, rehefa niady tamin’i Satana sy ireo demoniany ka nandroaka azy ireo ho etỳ an-tany. Mbola mandresy foana izy amin’izao andro farany izao, satria mbola manampy sy miaro ny mpanompony. “Hamita ny fandreseny” i Jesosy amin’ny Hara-magedona, rehefa tsy havelany handeha intsony ireo mpitaingin-tsoavaly telo hafa. Aorian’izay dia havadiny ho zava-tsoa ny loza nentin’izy ireo.