Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Tian’i Jehovah ny Mpanome Amim-pifaliana

Tian’i Jehovah ny Mpanome Amim-pifaliana

Hoy ny 2 Korintianina 9:7: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” Misy fomba isan-karazany azo anaovana fanomezana ao amin’ny Internet. Afaka mifidy amin’izy ireny isika, raha te hanohana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto an-toerana na maneran-tany.

JEREO ILAY VIDEO HOE AHOANA NO HATAO RAHA HANAO FANOMEZANA AO AMIN’NY INTERNET?, ARY VALIO IRETO:

  • Ahoana no hahitana ny fanazavana momba ny fanaovana fanomezana?

  • Inona ny soa noraisin’ny rahalahy sy anabavy sasany, rehefa nanao fanomezana tamin’ny alalan’ny Internet izy ireo?

  • Inona ny fomba sasany azontsika anaovana fanomezana?

  • Inona no azontsika atao raha te hanao fanomezana amin’ny alalan’ny Internet isika, nefa tsy mahay?