Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Aza Manahaka An’ity Tontolo ity Rehefa Manomana Mariazy

Aza Manahaka An’ity Tontolo ity Rehefa Manomana Mariazy

Mila mandray fanapahan-kevitra be dia be ny Kristianina rehefa manomana mariazy. Angamba izy ireo te hanao mariazy manetriketrika, satria izany no fanaon’ny manodidina. Mety samy hanana ny heviny koa ny fianakaviana sy ny namana, rehefa milaza ny zavatra tokony hatao amin’ilay mariazy. Tsy hanenina sady hanana feon’ny fieritreretana madio ny Kristianina, raha mety tsara ny fomba anomanany ny mariaziny. Inona ny toro lalan’ny Baiboly afaka manampy azy ireo?

JEREO ILAY VIDEO HOE MARIAZY MANOME VONINAHITRA AN’I JEHOVAH, ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana no nanampy an’i Nicholas sy Juliana ireto toro lalan’ny Baiboly ireto?

  • Nahoana ny Kristianina manomana mariazy no tokony hifidy rahalahy matotra mba ho ‘mpiandraikitra ny fanasana’?—Jn 2:8-10.

  • Inona avy ny safidy nataon’i Nicholas sy Juliana momba ny mariaziny, ary nahoana?

  • Iza no tokony handray ny fanapahan-kevitra farany momba an’izay hatao amin’ilay mariazy?—w06 15/10 25 § 10.