16-22 Novambra
LEVITIKOSY 4-5
Hira 84 sy Vavaka
Teny Fampidirana (1 min.)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Omeo ny Tsara Indrindra i Jehovah”: (10 min.)
Le 5:5, 6: Tsy maintsy nanolotra fanatitra noho ny heloka (zanak’ondry na osy) ireo nanao karazana fahotana sasany (it “Fanatitra”: “Teo ambanin’ny Lalàna” § 23)
Le 5:7: Afaka nanolotra domohina roa na voromailala roa ny mahantra, raha tsy takany ny zanak’ondry na osy (w09 1/6 26 § 3)
Le 5:11: Afaka nanolotra lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha ny mahantra, raha mbola tsy takany ny domohina na voromailala (w09 1/6 26 § 4)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (10 min.)
Le 5:1: Ahoana no hampiharan’ny Kristianina an’io andininy io? (w16.02 30 § 14)
Le 5:15, 16: Rahoviana ny olona iray no lasa “tsy mendri-pitokisana ka manota tsy nahy amin’ny zava-masin’i Jehovah”? (it “Fahamasinana”: “Biby sy vokatra”)
Tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity, inona ny harena miafina hitanao momba an’i Jehovah, ny fanompoana, na zavatra hafa?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Le 4:27–5:4 (th lesona 5)
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Fitoriana: (3 min. na latsaka) Atombohy amin’ilay hevitra azo resahina, fa ny Isaia 9:6, 7 no ampiasao. (th lesona 12)
Fiverenana Mitsidika: (4 min. na latsaka) Atombohy amin’ilay hevitra azo resahina, fa ny Salamo 72:16 no ampiasao. (th lesona 4)
Fampianarana Baiboly: (5 min. na latsaka) lv 182 § 22-23 (th lesona 19)
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Nampian’i Jehovah Izahay dia Nahavita Nanao Mpisava Lalana Nandritra ny 60 Taona: (15 min.) Alefaso ilay video. Fanontaniana: Inona ny tombontsoam-panompoana nananan’i Takako sy Hisako, ary inona no tena nahafaly an-dry zareo tamin’ilay asa nanendrena azy ireo? Inona ny aretina nahazo an’i Takako, ary inona no nanampy azy? Nahoana izy ireo no faly sy afa-po? Nahoana ny tantaran’izy ireo no manamarina ny voalazan’ireto andininy ireto: Ohabolana 25:11; Mpitoriteny 12:1; Hebreo 6:10?
Fianarana Baiboly: (30 min. na latsaka) lv Sasin-teny p. 3; toko 1 § 1-9
Teny Famaranana (3 min. na latsaka)
Hira 32 sy Vavaka