NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Hatsarao ny Fanompoanao: Miezaha Hitory An-telefaonina
NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Fomba iray ahafahantsika ‘mitory amin’ny fomba feno ny vaovao tsara’ ny fitoriana an-telefaonina. (As 20:24) * Mbola afaka mitory amin’ny olona foana mantsy isika, na tsy afaka mihaona aminy mivantana aza.
AHOANA NO HANAOVANA AZY?
-
Manomàna. Mifidiana foto-kevitra mety tsara. Soraty ireo hevi-dehibe tianao horesahina. Manomàna SMS fohy manazava ny antony niantsoanao raha tsy misy mamaly ny antsonao. Tsara raha mampiasa latabatra ianao rehefa mitory, ary ataovy vonona eo daholo izay ilainao, anisan’izany ny fitaovana elektronika misy JW Library® na jw.org® efa misokatra
-
Miezaha ho tony. Ataovy hoatran’ny hoe miresaka andavanandro ianao. Miezaha hitsiky sy hanao fihetsika, toy ny hoe mifanatrika aminao ilay olona. Aza mijanonjanona tsy amin’antony. Tsara raha misy mpitory hafa miara-mitory aminao. Raha mametraka fanontaniana ilay olona, dia avereno amin’ny feo avo ilay izy mba ho afaka hitady ny valiny ilay mpitory namanao
-
Mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka. Afaka manao an’izany ianao raha liana ilay olona. Azonao resahina koa izy hoe misy boky na gazety tianao homena azy, fa halefanao amin’ny e-mail ilay izy, na paositra, na haterinao any an-tranony. Na azonao anontaniana izy raha tiany ny handefasana video na lahatsoratra amin’ny e-mail na hafatra an-telefaonina. Raha azo atao, dia miresaha zavatra iray ho hitany ao amin’ny tranonkalantsika
^ feh. 3 Raha azo atao ny mitory an-telefaonina any amin’ny faritra misy anao, dia araho foana ny lalàna eo an-toerana rehefa maka ny mombamomba an’ilay olona nitoriana ianao.