Porofon’ny Fitahian’i Jehovah
Nankasitraka an’ireo mpisorona vao notendrena i Jehovah. Rehefa nanolotra ny fanatitra dorana voalohany mantsy izy ireo, dia nandefa afo i Jehovah mba handevona an’ilay fanatitra. Hita avy amin’izany hoe tian’i Jehovah hanohana tanteraka an’ireo mpisorona ireo ny Israelita tafangona teo. I Jesosy Kristy izao no Mpisoronabe ampiasain’i Jehovah. (He 9:11, 12) Nanendry voahosotra vitsivitsy i Jesosy tamin’ny 1919, mba ho “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mt 24:45) Inona no porofo fa mitahy an’io mpanompo io i Jehovah sady manohana sy mankasitraka azy?
-
Mbola afaka manome sakafo ara-panahy foana ny mpanompo mendri-pitokisana, na dia nisy foana aza ny fanenjehana
-
Efa torina “maneran-tany” izao ny vaovao tsara, araka ny faminanian’ny Baiboly.—Mt 24:14
Ahoana no ampisehoantsika fa manohana tanteraka ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina isika?