Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 1-3

Ny Tanjona Tamin’ireo Fanatitra

Ny Tanjona Tamin’ireo Fanatitra

1:3; 2:1, 12; 3:1

Nampifaly an’i Jehovah ny fanatitra na sorona nataon’ny Israelita fahiny, ary mifanitsy amin’i Jesosy sy ny sorona nataony na ny soa entin’izany.—He 8:3-5; 9:9; 10:5-10.

  • Biby tsy nisy kilema no natao sorona. Vatana lavorary sy tsy nisy kilema koa no nataon’i Jesosy sorona.—1Pe 1:18, 19

  • Natolotra manontolo ho an’Andriamanitra ny fanatitra dorana. Ny vatany manontolo koa no nomen’i Jesosy ho an’i Jehovah

  • Nihavana tamin’Andriamanitra ireo nanolotra sorona iombonana. Mihavana amin’Andriamanitra koa ireo voahosotra mihinana amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo