NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Soso-kevitra Rehefa Mitarika Fivoriana Alohan’ny Fanompoana
Fandaharana avy amin’i Jehovah ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Natao hanampiana antsika hifandrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara koa izy io, hoatran’ny fivoriana rehetra ataon’ny fiangonana ihany. (He 10:24, 25) Tokony ho dimy ka hatramin’ny fito minitra ny faharetany, ary tafiditra amin’izany ny fizarana namana, ny fandaminana ny faritany, ary ny vavaka. (Tokony ho fohy kokoa noho izany aza ilay izy raha aorian’ny fivoriana.) Tokony hanomana hevitra azon’ny mpitory ampiasaina amin’iny andro iny ilay mpitarika. Mety ho tsara, ohatra, raha izay hevitra azo ampiasaina amin’ny fitoriana fotsiny no resahina rehefa asabotsy. Mety ho ny asabotsy na ny alahady talohan’io mantsy ny mpitory maro no nanompo farany. Inona koa no tsara horesahina amin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana?
-
Hevitra azo resahina ao amin’ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana
-
Fomba hampiasana ny vaovao mba hanombohan-dresaka
-
Fomba hamaliana fanoherana
-
Fomba hiresahana amin’ny olona tsy mino an’Andriamanitra, na mino ny evolisiona, na miteny vahiny, na avy amin’ny fivavahana tsy mahazatra any aminareo
-
Fomba azo ampiasana ny jw.org na ny JW Library® na ny Baiboly
-
Fomba azo ampiasana zavatra iray anisan’ny Fitaovana Fampianarana
-
Fomba hitoriana an-telefaonina na an-taratasy, na hiverenana mitsidika, na hitarihana fampianarana, na hanaovana karazana fanompoana hafa
-
Fampahatsiahivana momba ny aro loza, fahalalam-pomba, fahaizana mandanjalanja, fananana toe-tsaina tsara, na ny toy izany
-
Lesona na video iray avy ao amin’ny bokikely Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
-
Fomba hampaherezana sy hanampiana ny namana miara-manompo amintsika
-
Andinin-teny mifandray amin’ny fanompoana na fitantarana mampahery mifandray amin’ny fanompoana