FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?
Ampio Hahay Hianatra ny Olona Ampianarinao
Tsy ampy ny fahamarinana ampianarintsika ny mpianatsika raha te hanampy azy hahalala an’i Jehovah sy ho lasa Kristianina matotra isika. (Mt 5:3; He 5:12–6:2) Tsy maintsy mianatra misakafo ara-panahy koa izy.
Vao manomboka mianatra mihitsy izy dia efa ampianaro manomana, ary ampirisiho hanomana foana isaky ny hianatra Baiboly. (mwb18.03 6) Ampirisiho hivavaka koa izy alohan’ny hianarany samirery. Ampio hahita an’ireo fitaovana fianarana amin’ny endrika elektronika izy ary ampianaro mampiasa azy ireny. Hazavao aminy hoe ahoana no hahitana ny zava-baovao ao amin’ny jw.org sy ny Tele JW. Ampio tsikelikely izy mba hamaky Baiboly isan’andro, hanomana ny fivorian’ny fiangonana, ary hitady ny valin’ny fanontaniany. Ampio izy hisaintsaina an’izay ianarany.
JEREO ILAY VIDEO HOE AMPIO NY OLONA AMPIANARINAO BAIBOLY MBA HAHAY HIANATRA. VALIO IRETO AVY EO:
-
Ahoana no nataon’i Nita mba hahatsapan’i Sendra hoe tsy ampy raha ny valiny fotsiny no tadiavina?
-
Inona no nanampy an’i Sendra ho resy lahatra hoe mety ny ataon’i Jehovah rehefa mandrara antsika tsy haloto fitondran-tena izy?
-
Inona no lasa tsapan’i Sendra momba ny fisaintsainana?