Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Inona no Tanjona Azon’ny Anabavy Tratrarina?

Inona no Tanjona Azon’ny Anabavy Tratrarina?

Mandray anjara be amin’ny asan’ilay Fanjakana ny anabavy. (Sl 68:11) Mitarika fampianarana Baiboly be dia be, ohatra, izy ireo. Betsaka ny anabavy mpisava lalana maharitra. An’arivony ny anabavy Betelita, misionera, mpanao fanorenana na mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana, ary mpandika teny. Mampahery ny fianakaviany sy ny fiangonany koa ny anabavy matotra. (Oh 14:1) Marina fa tsy afaka ny ho anti-panahy na ho mpanampy amin’ny fanompoana ny anabavy. Mbola afaka manatratra tanjona eo anivon’ny fiangonana anefa izy ireo. Inona, ohatra, no tanjona azonao tratrarina raha anabavy ianao?

  • Miezaka hanana toetra tsara.​—1Ti 3:11; 1Pe 3:3-6

  • Manampy ny anabavy tsy dia ampy traikefa ao amin’ny fiangonana.​—Tit 2:3-5

  • Mampitombo sy manatsara ny fanompoana

  • Mianatra fiteny vahiny

  • Manitatra faritany

  • Mangataka hiasa any amin’ny Betela na hanampy amin’ny fanorenana tranon’ny fandaminana

  • Mangataka hanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana

JEREO ILAY VIDEO HOE “VEHIVAVY MIASA MAFY AO AMIN’NY TOMPO” ARY VALIO ITY:

  • Inona no mampahery anao amin’ny tenin’izy telo vavy?