Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Tsy Vita Ilay Izy Raha Tsy teo ny Fanahy Masina

Tsy Vita Ilay Izy Raha Tsy teo ny Fanahy Masina

Betsaka ny zavatra mahavariana vitan’ny mpanompon’i Jehovah hatramin’izay. Tsy ny fahaizan’izy ireo no nahavitany an’ireny fa noho ny fanampian’i Jehovah. Navoakan’ny fandaminana, ohatra, ilay filma hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa (anglisy), tamin’ny 1954. Betelita tsy manana traikefa amin’ny fanaovana filma no tena nikarakara azy io. Tsy vita io tetikasa lehibe io raha tsy teo ny fanahy masin’i Jehovah. Manome toky antsika izany hoe ho vitantsika tsara foana izay asa anendrena antsika raha miantehitra amin’i Jehovah isika.​—Za 4:6.

JEREO ILAY VIDEO HOE FAMOAHANA “NY FITAMBARAN’OLON’NY TONTOLO VAOVAO MIASA.” VALIO IRETO AVY EO:

  • Inona no nahatonga an’ilay fanapahan-kevitra hoe hamoaka filma momba ny foibe?

  • Ahoana no nampisehoan’ilay filma hoe hoatran’ny vatan’olombelona ny Betela?—1Ko 12:14-20

  • Inona no olana nitranga teo am-panaovana an’ilay filma, ary ahoana no niatrehan’ireo rahalahy an’ireny olana ireny?

  • Inona no fantatsika momba ny fanahy masina rehefa jerena iny zava-nitranga iny?