Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Inona no Hanampy Anao Tsy Hangataka Andro?

Inona no Hanampy Anao Tsy Hangataka Andro?

Misy olona tia mangataka andro, dia tsy tonga dia ataony izay zavatra tokony hataony na azony atao eo no ho eo. I Jeho indray tena tsy hoatr’izany mihitsy! Tonga dia nanao zavatra izy rehefa nasain’i Jehovah nandripaka ny ankohonan’i Ahaba. (2Mp 9:6, 7, 16) Mangataka andro, ohatra, ny olona sasany dia miteny hoe: “Kely sisa aho dia hatao batisa!” Na hoe: “Efa hamaky Baiboly isan’andro amin’izay aho izao.” Na koa hoe: “Vao mahazo asa tsaratsara eo aho dia hanao mpisava lalana.” Afaka manampy antsika tsy hangataka andro amin’izay zavatra mifandray amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah anefa ny Soratra Masina.

Nahoana no manampy anao tsy hangataka andro ireto andinin-teny ireto?