NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Aoka Ianareo ho Zatra Manome”
Nasehon’i Jesosy hoe mifindra ny toe-tsaina tia manome. (Lk 6:38) Raha zatra manome ianao, dia ho tsara fanahy sy ho tia manome koa ny rahalahy sy anabavy.
Anisan’ny fanompoantsika an’i Jehovah ny manome am-pifaliana. Tsikaritr’i Jehovah izay olona tia manome sy tia manampy ny mpiara-manompo mila fanampiana. Mampanantena izy hoe hamaly soa azy.—Oh 19:17.
JEREO ILAY VIDEO HOE MISAOTRA ANAREO IZAHAY FA TIA MANOME IANAREO. VALIO IRETO AVY EO:
-
Ahoana no ampiasana an’ireny fanomezana ataonao ireny mba hanampiana ny mpiara-manompo?
-
Nahoana isika no tokony ho zatra manome na hoatran’ny ahoana na hoatran’ny ahoana ny habetsahan’ny fanomezana ataontsika?—Jereo koa ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Nameno ny Tsy Ampy ny Ambim-bavan’izy Ireo.”