Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Elisa miteny amin’ilay mpanompony hoe: “Ny miaraka amintsika dia betsaka noho ny miaraka amin’izy ireo.”​—2Mp 6:16

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Betsaka ny Miaraka Amintsika Noho ny Miaraka Amin’izy Ireo

Betsaka ny Miaraka Amintsika Noho ny Miaraka Amin’izy Ireo

Nisy fahavalo nanodidina ny tanàna nisy an’i Elisa sy ny mpanompony (2Mp 6:13, 14; it “Elisa”: “Tsy azon’ny Syrianina ny Israelita” § 1)

Tony foana anefa i Elisa ary nampahery an’ilay mpanompony (2Mp 6:15-17; w13 15/8 30 § 2; jereo ny sary, pejy 1)

Nanao fahagagana i Jehovah mba hamonjena an’i Elisa sy ilay mpanompony (2Mp 6:18, 19; it “Jamba” § 6)

Mahery lavitra noho ny fahavalontsika i Jehovah. Raha afaka mahita ny any an-danitra isika ka afaka mahita ny fomba ampiasan’i Jehovah ny anjely mba hiarovana ny vahoakany, dia mety ho inona no ho hitantsika hozy ianao?