Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

23-29 Desambra

SALAMO 119:121-176

23-29 Desambra

Hira 31 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Ahoana no Azo Isorohana Ratram-po?

(10 min.)

Tiavo ny didin’Andriamanitra (Sl 119:127; w18.06 17 § 5-6)

Ankahalao ny ratsy (Sl 119:128; w93 15/4 17 § 12)

Mihainoa an’i Jehovah, ary aza manaonao foana hoatran’ny olona “tsy dia nahita fiainana” (Sl 119:130, 133; Oh 22:3)

SAINTSAINO IZAO: ‘Inona avy ny ezaka tokony hataoko mba hahatonga ahy ho tia kokoa ny didin’Andriamanitra, na ho tena hankahala ny ratsy?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 119:160: Tokony ho resy lahatra ny amin’inona isika raha io andininy io no jerena? (w23.01 2 § 2)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. (lmd lesona 1, hevitra 5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) ISAN-TRANO. Atoroy an’ilay olona hoe ahoana no hahitany fanazavana mety hahaliana azy ao amin’ny jw.org. (lmd lesona 8, hevitra 3)

6. Rehefa Mampianatra

(5 min.) Miresadresaha amin’ny mpianatra Baiboly iray manapatapaka fivoriana. (lmd lesona 12, hevitra 4)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 121

7. Aza Avela Hanimba Anao ny Vola

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Mifofotra mitady vola ny olona tia vola. ‘Manindrona ny tenany manontolo amin’ny zavatra maro mampanaintaina’ ny olona hoatr’izany. (1Ti 6:9, 10) Hitantsika eo ambany ny sasany amin’ny zavatra mampanaintaina hahazo antsika, raha ohatra isika tia vola ary lasa zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika ny vola.

  • Lasa tsy mifandray tsara amin’i Jehovah isika.​—Mt 6:24

  • Tsy ho afa-po mihitsy isika.​—Mpto 5:10

  • Ho mora voan’ny fakam-panahy isika, ohatra hoe handainga, hangalatra, ary hamitaka. (Oh 28:20) Raha manao ratsy anefa isika, dia henjehin’ny eritreritsika, ho ratsy laza, ary tsy hankasitrahan’Andriamanitra intsony

Vakio ny Hebreo 13:5, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Ahoana no tokony hiheverantsika ny vola raha te hisoroka ratram-po isika, ary nahoana?

Na dia tsy tia vola aza isika, dia mety hijaly ihany raha tsy mahay mitantam-bola.

Alefaso ilay KISARISARY hoe Te Hahay Hitantam-bola ve Ianao? Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Nahoana isika no tokony hanao teti-bola, ary ahoana no fanaovana an’ilay izy?

  • Nahoana no tsara raha mba manana tahiry?

  • Nahoana no tsy fahendrena ny mitrosa tsy amin’antony?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) rr fizarana 5, toko 19 § 1-6, video fampidirana, efajoro 19A

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 87 sy Vavaka