Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

25 Novambra–1 Desambra

SALAMO 109-112

25 Novambra–1 Desambra

Hira 14 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Asehoy hoe Manohana An’i Jesosy Mpanjaka Ianao

(10 min.)

Nipetraka teo ankavanan’i Jehovah i Jesosy rehefa niakatra tany an-danitra (Sl 110:1; w06 1/9 13 § 6)

Nanomboka nanjaka tanteraka teo amin’ny fahavalony i Jesosy tamin’ny 1914 (Sl 110:2; w00 1/4 18 § 3)

Afaka manolo-tena an-tsitrapo isika, izany hoe manao izay rehetra azontsika atao, mba hanohanana ny fitondran’i Jesosy (Sl 110:3; be 76 § 2)

SAINTSAINO IZAO: ‘Inona avy ny tanjona azoko tratrarina mba hampisehoako hoe manohana an’ilay Fanjakana aho?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 110:4: Hazavao ny momba an’ilay fifanekena resahin’io andininy io. (it-1 855 § 3)

    Valin-teninao
  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

    Valin-teninao

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(2 min.) ISAN-TRANO. Mampiasà taratasy mivalona mba hanombohana resadresaka amin’ilay olona. (lmd lesona 4, hevitra 3)

5. Hazavao ny Zavatra Inoanao

(5 min.) Fampisehoana. ijwfq 23: Foto-kevitra: Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mandeha Miady? (lmd lesona 4, hevitra 4)

6. Rehefa Mampianatra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 72

7. Ahoana no Ampisehoantsika hoe Manohana An’ilay Fanjakana Isika?

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Ilay Fanjakana no anisan’ny fomba ampisehoan’i Jehovah hoe manan-jo hitondra an’izao rehetra izao izy. (Da 2:44, 45) Manohana ny zon’i Jehovah hitondra àry isika rehefa manao izay rehetra azontsika atao mba hanohanana an’io Fanjakana io.

Alefaso ilay VIDEO hoe Tohano Ilay “Andrianan’ny Fiadanana.” Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Ahoana no ampisehoantsika hoe manohana ny Fanjakan’Andriamanitra isika?

    Valin-teninao

Hitantsika eo ambany ny fomba vitsivitsy azontsika ampisehoana hoe manohana ny Fanjakan’Andriamanitra isika. Manorata andinin-teny iray isaky ny hevitra tsirairay.

  • Manao loha laharana an’ilay Fanjakana.

    Valin-teninao
  • Manaraka ny fitsipika momba ny fitondran-tena takina amin’ny vahoakan’ilay Fanjakana.

    Valin-teninao
  • Mazoto miresaka amin’ny olon-kafa momba an’ilay Fanjakana.

    Valin-teninao
  • Manaja ny manam-pahefana, nefa mankatò an’Andriamanitra rehefa mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ny lalàn’i Kaisara.

    Valin-teninao

8. Fianarana Baiboly

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 55 sy Vavaka