30 Desambra 2024–5 Janoary 2025
SALAMO 120-126
Hira 144 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Nitomany Izy Ireo Rehefa Namafy, fa Nihoby Kosa Rehefa Nijinja
(10 min.)
Faly ny Israelita rehefa nafahana avy tany Babylona mba hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio (Sl 126:1-3)
Mety ho nitomany ireo niverina nody tany Jodia satria nila nanao ezaka be (Sl 126:5; w04 1/6 16 § 10)
Naneho fikirizana ry zareo dia nahazo fitahiana (Sl 126:6; w21.11 24 § 17; w01 15/7 18-19 § 13-14; jereo ny sary)
SAINTSAINO IZAO: Aorian’ny hanafahana antsika avy amin’ity tontolo efa tranainy ity amin’ny Aramagedona, dia inona avy ny zava-tsarotra mbola hatrehintsika rehefa hamerina ny tany ho paradisa isika? Inona avy ny fitahiana ho azontsika?
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
-
Sl 124:2-5: Afaka manantena ny harovan’i Jehovah tsy ho faty ve isika, hoatran’ny nataony tamin’ny firenen’Israely taloha? (cl 73 § 15)
-
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Baiboly
(4 min.) Sl 124:1–126:6 (th lesona 5)
4. Miresadresaha Aloha
(3 min.) AMPAHIBEMASO. (lmd lesona 3, hevitra 5)
5. Rehefa Miverina Mitsidika
(4 min.) ISAN-TRANO. Nilaza ilay olona tamin’ianao nitory taminy hoe misalasala izy raha azo inoana ny Baiboly. (lmd lesona 9, hevitra 5)
6. Rehefa Mampianatra
Hira 155
7. Tsy Andrinao ve ny Hahatanterahan’ny Fampanantenan’Andriamanitra?
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Notanterahin’i Jehovah ny fampanantenany tamin’ilay vahoaka natao sesitany tany Babylona. Nanafaka azy ireo izy ary namela ny fahotana nataony taloha. (Is 33:24) Niaro azy ireo sy ny biby fiompiny tamin’ny liona sy ny bibidia hafa koa izy. Nihabetsaka mantsy ireny rehefa lasa aolo ilay tanànan’izy ireo. (Is 65:25) Samy nanao ny tranony izy ireo dia nipetraka tao, ary nihinana ny vokatra avy tamin’ny tanimboalobony. (Is 65:21) Nitahy ny asan’izy ireo Andriamanitra, ary ela velona izy ireo.—Is 65:22, 23.
Alefaso ilay VIDEO hoe Mampanantena Fiadanana Andriamanitra: Ampahany. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:
-
Ahoana no ahatanterahan’ireo faminaniana ireo amin’izao andro izao?
-
Ahoana no hahatanterahan’izy ireo ao amin’ny tontolo vaovao?
-
Inona amin’ireo no tena tsy andrinao ny hahatanterahany?
8. Fianarana Baiboly
(30 min.) rr toko 19 § 7-15