Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

4-10 Novambra

SALAMO 105

4-10 Novambra

Hira 3 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. “Tadidiny Mandrakizay ny Fifanekena Nataony”

(10 min.)

Nisy fampanantenana nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama ary naveriny tamin’i Isaka sy Jakoba ilay izy (Ge 15:18; 26:3; 28:13; Sl 105:8-11)

Hoatran’ny hoe tsy ho tanteraka ilay fampanantenana (Sl 105:12, 13; w23.04 28 § 11-12)

Tsy hadinon’i Jehovah mihitsy ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama (Sl 105:42-44; it-2 1014 § 10)


SAINTSAINO IZAO: ‘Nahoana izany no manampy ahy hatoky tanteraka an’i Jehovah?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 105:17-19: Nahoana no milaza ny Baiboly hoe nanadio an’i Josefa “ny tenin’i Jehovah”? (w87 1/2 19 § 15)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(1 min.) ISAN-TRANO. Mbola sahirana ilay tompon-trano. (lmd lesona 2, hevitra 5)

5. Miresadresaha Aloha

(2 min.) ISAN-TRANO. Farano ny resaka rehefa manomboka miady hevitra ilay olona. Miezaha anefa ho tsara fanahy. (lmd lesona 4, hevitra 5)

6. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) ISAN-TRANO. Omeo gazety miresaka momba ny foto-kevitra nahaliana azy ilay olona. (lmd lesona 8, hevitra 3)

7. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Iresaho momba ny programa JW Library® ilay olona, dia atoroy azy ny fomba ampidirana an’ilay izy ao amin’ny fitaovany. (lmd lesona 9, hevitra 5)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 84

8. Asehoy hoe Tianao Ilay Zanak’i Jehovah

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Asehontsika hoe tia an’i Kristy Jesosy Mpanjakantsika isika, rehefa mampiasa ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Lasa faly i Jehovah ary mandray soa ny mpiara-manompo amintsika rehefa asehontsika hoe tiantsika ilay Zanak’i Jehovah. (Jn 14:23) Hita ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Fomba Ampiasana ny Fanomezanao”, ao amin’ny jw.org, fa tena manampy be ny mpiara-manompo amintsika eran-tany ny fanomezana ataontsika.

Alefaso ilay VIDEO hoe Mahasoa ny Hafa ny Fanomezana Ataonao. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Ahoana no nampiasana ny fanomezana mba hiarovana ny zon’ireo rahalahintsika hanaraka ny fivavahany?

  • Nahoana no manampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana ny fiezahan’ny fandaminana hampisy “fitoviana” eo amin’ny fampiasana ny fanomezana?​—2Ko 8:14

  • Ampiasaina mba handikana Baiboly amin’ny fiteny be dia be ny fanomezana ataontsika. Inona avy ny soa azo avy amin’izany?

9. Fianarana Baiboly

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 27 sy Vavaka