Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Tianao ho Tsara ve ny Valin-teninao?

Tianao ho Tsara ve ny Valin-teninao?

Mampahery ny fiangonana ny valin-teny tsara. (Ro 14:19) Mandray soa koa ny olona manome azy ireny. (Oh 15:23, 28) Tokony hiezaka hanome valin-teny iray àry isika, fara fahakeliny, isaky ny mivory. Tsy voatery ho voatondro isika isaky ny manangan-tanana, ka tsara raha manomana valin-teny maromaro.

Tsara ny valin-teny raha...

  • tsotra sy fohy ary mazava. Matetika izy io no azo atao ao anatin’ny 30 segondra na latsaka

  • atao amin’ny fomba fiteny

  • tsy mamerina ny valin-tenin’ny hafa

Raha voatondro hamaly voalohany ianao dia...

  • valin-teny tsotra sy mivantana omena

Raha efa voavaly ilay fanontaniana dia...

  • asehoy ny ifandraisan’ny andinin-teny voatonona amin’ny hevi-dehibe

  • resaho hoe ahoana no azo ampiharana an’ilay fanazavana

  • hazavao hoe ahoana no azo ampiasana an’ilay fanazavana mba hanampiana ny hafa

  • milazà fitantarana fohy manasongadina ny hevi-dehibe