NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Ny Fitiavana no Ahafantarana ny Tena Kristianina: Miezaha Hiray Saina Foana
NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Tian’i Jesosy hiray saina ny mpianany, ka nivavaka momba an’izany izy ny alina talohan’ny nahafatesany. (Jn 17:23) Hiray saina foana isika raha be fitiavana ka “tsy mitana lolompo.”—1Ko 13:5.
AHOANA NO HANAOVANA AZY?
-
Tahafo i Jehovah, ka mifantoha amin’ny toetra tsaran’ny hafa
-
Miezaha hamela heloka tanteraka
-
Aza resahina intsony ny olana iray raha efa nilamina ilay izy.—Oh 17:9
JEREO ILAY VIDEO HOE ‘MIFANKATIAVA’: AZA MITANA LOLOMPO, ARY VALIO IRETO:
-
Ahoana no ahitana hoe ‘nitana lolompo’ i Eliane tamin’ilay video voalohany?
-
Inona no nanampy an’i Eliane tsy hitana lolompo, araka an’ilay video faharoa?
-
Nahoana no nahatonga ny fiangonana hiray saina ny zavatra nataon’i Eliane?