8-14 Oktobra
JAONA 11-12
Hira 16 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Miezaha Hangoraka Hoatran’i Jesosy”: (10 min.)
Jn 11:23-26: Nampionona an’i Marta i Jesosy (“Fantatro fa hitsangana izy”, “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana” fanazavana Jn 11:24, 25, nwtsty)
Jn 11:33-35: Nalahelo be i Jesosy rehefa nahita an’i Maria sy ny olon-kafa nitomany (“nigogogogo nitomany”, “Nalahelo mafy ... sady ory dia ory”, “tao am-pony tao”, “nirotsaka ny ranomasony” fanazavana Jn 11:33, 35, nwtsty)
Jn 11:43, 44: Nanao zavatra i Jesosy rehefa nisy olona nila fanampiana
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Jn 11:49: Iza no nanendry an’i Kaiafa ho mpisoronabe, ary nandritra ny firy taona izy no teo amin’io toerana io? (“mpisoronabe” fanazavana Jn 11:49, nwtsty)
Jn 12:42: Nahoana ny Jiosy sasany no tsy sahy nilaza hoe i Jesosy no Kristy? (“ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy”, “voaroaka hiala amin’ny synagoga” fanazavana Jn 12:42, nwtsty)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Jn 12:35-50
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Fitoriana: (2 min. na latsaka) Ampiasao ilay hevitra azo resahina.
Video Fiverenana Mitsidika Voalohany: (5 min.) Alefaso ilay video ary iaraho midinika.
Lahateny: (6 min. na latsaka) w13 15/9 32: Foto-kevitra: Nahoana i Jesosy no Latsa-dranomaso Talohan’ny Hananganany An’i Lazarosy?
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
I Jesosy no “Fananganana ny Maty sy Fiainana” (Jn 11:25): (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video hoe Izy Tokoa no “Nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”: Fizarana II—Ampahany. Fanontaniana: Hita hoe nahay nangoraka i Jesosy, ka inona no ianarantsika avy amin’izany? Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “fananganana ny maty sy fiainana”? Inona avy ny fahagagana hataon’i Jesosy amin’ny hoavy?
Fianarana Baiboly: (30 min.) jy toko 38
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 147 sy Vavaka