Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 35-36

Ampian’i Jehovah Isika mba Hahavita ny Asany

Ampian’i Jehovah Isika mba Hahavita ny Asany

35:25, 26, 30-35; 36:1, 2

Nanome toromarika tamin’ny an-tsipiriany i Jehovah hoe ahoana no tokony hanamboarana ny tranolay masina. Nanampy an’i Bezalila sy Oholiaba hanaraka tsara an’izany toromarika izany ny fanahy masina. (Jereo ny sary eo amin’ny pejy 1.) Afaka manampy antsika koa ny fanahin’i Jehovah. Inona no azontsika atao mba hahazoana azy io?

  • Mila mangataka ny fanahy masina isika, mba hampitombo ny fahaizantsika rehefa manao ny asan’i Jehovah

  • Tokony hazoto hianatra ny Tenin’Andriamanitra isika

  • Tokony hataontsika amin’ny fo manontolo izay asa anendrena antsika

Afaka manampy antsika amin’izay fanendrena azontsika i Jehovah. Amin’inona, ohatra?