Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ezaka Manokana Ampahafantarana ny Fanjakan’Andriamanitra, Amin’ny Novambra

Ezaka Manokana Ampahafantarana ny Fanjakan’Andriamanitra, Amin’ny Novambra

Nitory ny “vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra” i Jesosy. (Lk 4:43) Nampianatra ny olona hivavaka momba an’io Fanjakana io koa izy. (Mt 6:9, 10) Hanao ezaka manokana isika mandritra ny Novambra, mba hampahafantarana ny Fanjakan’Andriamanitra. (Mt 24:14) Amboary àry ny fandaharam-potoananao, mba ho afaka handray anjara faran’izay betsaka amin’izy io ianao. Afaka mifidy ny hanatratra 30 na 50 ora ny mpisava lalana mpanampy amin’io volana io.

Miezaha hamaky andinin-teny momba ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olona betsaka araka izay azo atao. Rehefa mifidy andinin-teny ianao, dia saintsaino hoe inona ny fivavahan’ilay olona hiresahanao. Raha liana ny olona iray, dia omeo azy Ny Tilikambo Fiambenana No. 2 2020. Tsidiho haingana araka izay azo atao izy. Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly, ary mampiasà boky na zavatra hafa anisan’ny Fitaovana Fampianarana. Kely sisa dia handringana ny fitondrana rehetra manohitra azy ny Fanjakan’Andriamanitra. (Da 2:44; 1Ko 15:24, 25) Asehoy àry hoe manohana an’i Jehovah sy ny Fanjakany ianao, ka mandraisa anjara feno amin’io ezaka manokana io!

Hanova ny tany ho Paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra!