Ireo Alitaran’ny Tranolay Masina
Namboarina nifanaraka tamin’ny toromarika nomen’i Jehovah ireo alitara tao amin’ny tranolay masina. Manana heviny manokana ireny alitara ireny.
-
Hoatran’ireo emboka manitra nafangaro tsara ny vavaka ataon’ny mpanompon’i Jehovah. Samy ankasitrahan’i Jehovah izy ireny
-
Nankasitrahan’i Jehovah ny sorona natao teo amin’ny alitaran’ny fanatitra dorana. Mifanitsy amin’ny alitaran’ny fanatitra dorana ny ‘sitrapon’Andriamanitra’, dia ny fahavononany hanaiky ny sorona lavorary nataon’ny Zanany lahitokana. Teo anoloan’ny toerana masina no nisy an’io alitara io. Mampahatsiahy antsika izany fa tena ilaina ny mino ny sorona nataon’i Jesosy, raha tiantsika ny hampifaly an’Andriamanitra.—He 10:5-10; Jn 3:16-18
Inona no azontsika atao mba ho voaomana tsara hoatran’ny emboka manitra ny vavaka ataontsika?—Sl 141:2