Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 31-32

Andosiro ny Fanompoan-tsampy

Andosiro ny Fanompoan-tsampy

32:1, 4-6, 9, 10

Toa nisy vokany tamin’ny Israelita ny fomba fisainan’ny Ejipsianina, matoa izy ireo lasa nanompo sampy. Mety hiseho amin’ny endriny isan-karazany ny fanompoan-tsampy, ary mety tsy hiharihary be ny sasany aminy. Marina aloha hoe tsy hanompo sampy ara-bakiteny isika. Azo lazaina hoe manompo sampy ihany anefa isika, raha variana amin’izay zavatra tiantsika ka lasa tsirambina ny fanompoantsika an’i Jehovah.

Inona amin’ny zavatra fanaoko andavanandro no mety hanelingelina ny fanompoako an’i Jehovah? Inona no azoko atao mba tsy ireo no lasa zava-dehibe kokoa amiko noho ny fanompoana azy?