Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 135-141

Mahatalanjona ny Fomba Nanaovana Antsika

Mahatalanjona ny Fomba Nanaovana Antsika

Nisaintsaina ny toetran’Andriamanitra i Davida rehefa nandinika ny zavaboary. Lasa natoky an’i Jehovah izy ka nanompo azy nandritra ny androm-piainany.

Nidera an’i Jehovah i Davida rehefa avy nisaintsaina momba ny zavaboary:

139:14

  • “Hidera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy”

139:15

  • “Tsy niafina taminao ny taolako, tamin’izaho noforoninao tao amin’ny miafina, sy notenominao tao amin’ny faritra lalina indrindra amin’ny tany”

139:16

  • “Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako”