Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Asao Hivory ny Olona Liana

Hatsarao ny Fanompoanao: Asao Hivory ny Olona Liana

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Afaka ‘mihira ho an’i Jehovah’ sy ‘midera azy’ isika isaky ny mivory. (Sl 149:1) Ampianarina hanao ny sitrapon’Andriamanitra koa isika amin’ireny fotoana ireny. (Sl 143:10) Matetika no mandroso haingana kokoa ny mpianatra Baiboly sy ny olona liana, rehefa manomboka mivory.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Tonga dia asao hivory ny olona liana, na dia mbola tsy mianatra Baiboly aza.—Ap 22:17

  • Hazavao aminy ny zavatra ho hitany any sy izay horesahina amin’ny fivoriana manaraka. Azonao ampiasaina ireto: Fanasana Hanatrika Fivoriana, ilay video hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana?, ary ny lesona 5 sy 7 amin’ny bokikely Sitrapon’i Jehovah

  • Anontanio izy raha mila fanampiana. Mila alaina ve, ohatra, izy, sa mila ampiana hifidy ny akanjo tokony hanaovany? Miaraha-mipetraka aminy rehefa any am-pivoriana, ary asaivo manaraka ao amin’ny bokinao izy. Ampifankahalalao amin’ny hafa izy