Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Raha Ankizy no Mamoha Trano

Raha Ankizy no Mamoha Trano

Raha ankizikely no mamoha trano, dia tokony hangataka hiresaka amin’ny ray aman-dreniny isika ho fanajana azy ireo. (Oh 6:20) Tsy tokony handroso isika raha mampandroso antsika ilay ankizikely, nefa tsy ao ny ray aman-dreniny na tsy afaka mihaino antsika. Aleo miverina amin’ny fotoana hafa.

Na efa lehibebe aza ilay ankizy (angamba 15 taona eo ho eo), dia mbola tsara foana ny mangataka hiresaka amin’ny ray aman-dreniny. Ahoana anefa raha tsy ao izy ireo na tsy afaka mihaino? Anontanio izy raha avelan’izy ireo hamaky izay boky tiany. Raha mahazo mifidy izay boky hovakiny izy, dia omeo boky na gazety. Mety ho azo resahina aminy koa ny jw.org.

Ahoana raha liana ny tanora iray ka tonga hitsidika azy isika? Tokony hangataka hiresaka amin’ny ray aman-dreniny isika, mba ho afaka hanazava ny anton-diantsika. Azontsika aseho azy ireo koa fa tena tsara sy azo itokisana ny torohevitry ny Baiboly ho an’ny fianakaviana. (Sl 119:86, 138) Efa fitoriana vita ho azy ny fihetsika maneho fanajana toy izany. Mety ho afaka hitory amin’ilay fianakaviana koa isika.—1Pe 2:12.