Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 119

‘Mandehana Amin’ny Lalàn’i Jehovah’

‘Mandehana Amin’ny Lalàn’i Jehovah’

Mandeha amin’ny lalàn’i Jehovah isika rehefa manaiky an-tsitrapo ny tari-dalany. Olona maro, anisan’izany ny mpanao salamo, no resahin’ny Baiboly fa nitoky tamin’i Jehovah sy nanaraka ny lalàny.

Tsy maintsy mandeha amin’ny lalàn’Andriamanitra isika raha te ho sambatra

119:1-8

Natoky tanteraka ny tari-dalan’i Jehovah i Josoa. Fantany fa nila natoky an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo izy, raha te ho sambatra sy hahomby

Manampy antsika hanana herim-po hiatrehana fitsapana ny Tenin’Andriamanitra

119:33-40

Naneho herim-po sy nitoky tamin’i Jehovah i Jeremia rehefa tojo zava-tsarotra. Nanana fiainana tsotra foana izy, ary tsy niala tamin’ny asa nanendrena azy

Tsy matahotra mitory isika rehefa mahalala tsara ny Tenin’Andriamanitra

119:41-48

Tsy natahotra nitory tamin’ny olon-drehetra i Paoly. Tena natoky izy fa hanampy azy i Jehovah, ka sahy nitory tamin’i Feliksa Governora izy

Tiako aho raha sahy mitory kokoa amin’ny...

  • Mpiara-mianatra

  • Mpiara-miasa

  • Havana

  • Olon-kafa