Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FAMPIOFANANA AMIN’​NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?

Raiso ny Fanampian’ny Mpiara-manompo

Raiso ny Fanampian’ny Mpiara-manompo

Nanome an’ireo rahalahy sy anabavy rehetra i Jehovah mba hanampiana antsika. (1Pe 5:9) Afaka manampy antsika izy ireo rehefa manana olana isika eny amin’ny fanompoana. Nandray soa, ohatra, i Paoly rehefa nampian’i Akoila sy Prisila, Silasy, Timoty, ary ny mpiara-manompo hafa. —As 18:1-5.

Ahoana no azon’ny mpiara-manompo anampiana anao rehefa eny amin’ny fanompoana? Mety hanome soso-kevitra anao izy ireo hoe ahoana no atao rehefa tratran’ny fanoherana, manao fiverenana mitsidika, manasa olona hianatra Baiboly, na mitarika fampianarana Baiboly. Eritrereto hoe iza ao amin’ny fiangonanareo no afaka manampy anao, ary miresaha aminy. Azo antoka fa samy handray soa ianareo ary samy ho faly.—Fi 1:25.

JEREO ILAY VIDEO HOE MAHAFALY NY MANAO MPIANATRA: RAISO NY FANAMPIAN’I JEHOVAH: MPIARA-MANOMPO. VALIO IRETO AVY EO:

  • Ahoana no nataon’i Nita mba hampirisihana an’i Sendra hivory?

  • Nahoana isika no tokony hiaraka amin’ny mpitory hafa rehefa mampianatra Baiboly?

  • Ny fiangonana manontolo no mifarimbona mba ho lasa mpianatr’i Jesosy ny olona iray

    Inona no itovizan’i Sendra sy Bebe Razay?

  • Inona no fahaizana mety ho azon’ny mpitory hafa atoro anao, rehefa manompo?