NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Ampiofano Foana ny Fahaizanao Misaina
Mila manazatra ny hozany foana ny atleta raha te hatanjaka tsara. Mila miezaka foana koa isika mba hanazatra ny fahaizantsika misaina. (He 5:14) Mety ho mora hanahaka ny olon-kafa isika rehefa hanapa-kevitra. Tsy maintsy miezaka anefa isika mba hahay hisaina tsara sy hahay hanapa-kevitra. Mbola hampamoahina amin’izay ataontsika mantsy isika tsirairay.—Ro 14:12.
Tsy tokony hieritreritra isika hoe efa ela no vita batisa dia hety foana ny fanapahan-kevitra raisintsika. Rehefa miantehitra tanteraka amin’i Jehovah sy ny Teniny ary ny fandaminany ihany isika vao hahay hanapa-kevitra tsara.—Js 1:7, 8; Oh 3:5, 6; Mt 24:45.
JEREO ILAY VIDEO HOE “MANÀNA FEON’NY FIERITRERETANA MADIO” FOANA. VALIO IRETO AVY EO:
-
Tsy maintsy nanapa-kevitra momba ny inona i Emma?
-
Nahoana isika no tokony hitandrina mba tsy hilaza ny hevitsika manokana rehefa misy raharaha mahakasika ny feon’ny fieritreretana?
-
Inona no torohevitra tsara nomen’ny mpivady iray ho an’i Emma?
-
Taiza i Emma no nahita fanazavana nanampy azy?