Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ataovy An-tsaina Foana i Jehovah

Ataovy An-tsaina Foana i Jehovah

Tsy mora ny manao loha laharana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany rehefa sarotra ny mahita asa fivelomana. Mety halaim-panahy hanao asa manelingelina ny fanompoana na mandika ny toro lalan’ny Baiboly isika. Matokia anefa fa mampiseho ny heriny “hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo” i Jehovah. (2Ta 16:9) Hanampy antsika sy hanome an’izay ilaintsika ilay Raintsika be fitiavana ary tsy misy mahasakana azy amin’izany. (Ro 8:32) Rehefa hanapa-kevitra momba ny asa àry isika dia tsy maintsy matoky an’i Jehovah sy mifantoka amin’ny fanompoana foana.—Sl 16:8.

JEREO ILAY VIDEO HOE ATAOVY AMIN’NY FO MANONTOLO NY ASANAO, TOY NY HOE HO AN’I JEHOVAH. VALIO IRETO AVY EO:

  • Nahoana i Tanjona no tsy nety nandray tsolotra?

  • Ahoana no ampiharantsika ny Kolosianina 3:23?

  • Inona no vokany rehefa nahita ny ohatra tsara nasehon’i Tanjona i Thomas?

  • Avelao hanan-kery amin’ny fanapahan-kevitra raisinao sy ny ataonao i Jehovah

    Ahoana no ampiharantsika ny Matio 6:22?