Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FAMPIOFANANA AMIN’​NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?

Ampiasao ny Fitaovana Fanaovantsika Fikarohana

Ampiasao ny Fitaovana Fanaovantsika Fikarohana

Omen’i Jehovah fitaovana hanampy antsika hahay hampianatra isika, ohatra hoe video, taratasy mivalona, gazety, bokikely, boky, ary ilay fitaovana tena fampiasantsika, dia ny Baiboly. (2Ti 3:16) Omeny fitaovana fanaovana fikarohana koa isika mba hanampiana antsika hanazava ny Soratra Masina, anisan’izany ny Watchtower Library, ny JW Library®, ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah, ary ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ho faly ianao rehefa mampiasa an’izay fitaovana anananao mba hanaovana fikarohana lalina ao amin’ny Baiboly. Zaro hampiasa an’ireny fitaovana ireny koa ny mpianatrao. Ho faly koa izy amin’izay rehefa mahita ny valin’ny fanontaniany ao amin’ny Baiboly.

JEREO ILAY VIDEO HOE MAHAFALY NY MANAO MPIANATRA: RAISO NY FANAMPIAN’I JEHOVAH: AMPIASAO NY FITAOVANA FANAOVANA FIKAROHANA. VALIO IRETO AVY EO:

  • Inona no hevitra tsy neken’i Sendra momba ny famoronana?

  • Taiza i Nita no nahita ny fanazavana nilainy?

  • Faly isika rehefa mahita harena ara-panahy sy mizara an’ilay izy amin’ny olona

    Ahoana no nifidianany an’izay fanazavana tena nilain’i Sendra?

  • Inona no vokany teo amin’i Nita rehefa nampiasa fitaovana fanaovana fikarohana izy?