NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Matokia fa ho Tafavoaka Ianao na dia Sahirana Ara-bola Aza
Be dia be ny olana amin’izao andro farany izao, ary vao mainka izany hitombo arakaraka ny hanatonan’ny farany. Mety hisy fotoana àry tsy ho ampy ny zavatra sasany ananantsika. (Ha 3:16-18) Inona no hanampy antsika hatoky hoe ho tafavoaka isika na dia sahirana ara-bola aza? Matokia an’i Jehovah Andriamanitra foana. Efa nampanantena mantsy izy hoe hikarakara ny mpanompony sady mahavita manome izay ilaintsika na manao ahoana na manao ahoana zavatra iainantsika.—Sl 37:18, 19; He 13:5, 6.
Izao atao:
-
Mitalahoa amin’i Jehovah mba hanome anao tari-dalana sy fahendrena ary mba hampiany. —Sl 62:8
-
Aza miavona asa na dia mbola tsy nataonao mihitsy aza ilay izy.—g 1/10 8-9, efajoro
-
Manaova foana zavatra ara-panahy, ohatra hoe mamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro, manatrika ny fivoriana rehetra, ary mandray anjara amin’ny fanompoana
JEREO ILAY VIDEO HOE ATAOVY MAFY TSARA NY TRANONAO: “AOKA IANAREO HIANINA AMIN’IZAY EFA EO.” VALIO IRETO AVY EO:
-
Inona ny olana atrehin’ny fianakaviana sasany?
-
Inona no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana?
-
Inona no azontsika atao mba hanampiana an’izay sahirana ara-bola?