Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Inona no Hanampy Anao Mandra-piandry ny Fitsanganan’ny Maty?

Inona no Hanampy Anao Mandra-piandry ny Fitsanganan’ny Maty?

Mampahery antsika ilay fampanantenana hoe mbola hatsangana ny maty, rehefa misy olona akaiky antsika nodimandry. Hoatran’ny lamba mavesatra be sady manempotra antsika rehetra ny ota sy ny fahafatesana. (Is 25:7, 8) “Mbola miara-mitaraina sy miara-mijaly foana” àry ny zavaboary rehetra. (Ro 8:22) Raha nisy havantsika maty dia inona no hanamaivana ny fahoriantsika mandra-piandry azy ireny? Misy toro lalana be dia be afaka manampy antsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

JEREO ILAY VIDEO HOE MATY VE NY OLONA IRAY AKAIKIN’NY FONAO? VALIO IRETO AVY EO:

  • Inona ny zavatra mafy be nahazo an’i Danielle sy Masahiro ary Yoshimi?

  • Inona ny zavatra dimy tena nanampy azy ireo?

  • Iza no afaka mampionona antsika indrindra?​—2Ko 1:3, 4