NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Trandraho ny Fahendrena ao Amin’ny JW.ORG
Misy an’izay rehetra ilaintsika mba hiatrehana ny olana amin’izao andro sarotra izao ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (2Ti 3:1, 16, 17) Indraindray anefa isika mbola mila fanampiana, vao mahita an’izay toro lalana mifandray amin’ny olana mahazo antsika. Te hitaiza tsara ny zanakao ve, ohatra, ianao? Sa ianao tanora miady mafy mba tsy hivadika? Sa ianao maty vady, dia mbola malahelo be? Hahita lahatsoratra misy toro lalan’ny Baiboly mety tsara aminao ianao ao amin’ny jw.org.—Oh 2:3-6.
Tsindrio ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY eo amin’ny pejy fandraisana amin’ny jw.org. (Jereo ny sary 1.) Hahita lisitra maromaro ianao avy eo, dia tsindrio izay mahaliana anao. Na midira ao amin’ny ZAVATRA MISY > ANDIAN-DAHATSORATRA, ary fidio izay mahaliana anao. (Jereo ny sary 2.) Afaka mahita an’ireo andian-dahatsoratra ireo koa ianao ao amin’ny JW Library®. * Mety ho tianao fotsiny koa anefa ny mikarokaroka lahatsoratra mahaliana anao, ao amin’iray amin’ireo toerana ireo. Azonao atao koa ny mampiditra an’izay teny tianao hotadiavina eo amin’ilay hoe “Hikaroka” ao amin’ny jw.org.
Soraty ireto teny ireto ao amin’ilay hoe “Hikaroka”, ary mariho izay lahatsoratra tianao hovakina.
-
Fitaizan-janaka
-
Tanora kivy be
-
Maty vady
^ Misy lahatsoratra ho an’ny andian-dahatsoratra sasany tsy hita afa-tsy ao amin’ny jw.org ihany.