Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Misy Mampijaly

Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Misy Mampijaly

Mety hikasi-tanana na hanao izay hahatonga antsika ho kivy be ny mpampijaly. Mety ho vitany mihitsy aza ny hahatonga antsika tsy hifandray amin’i Jehovah, raha manaiky lembenana isika rehefa manohitra ny fivavahantsika ry zareo. Inona no azontsika atao rehefa misy mampijaly?

Maro ny mpanompon’i Jehovah nahavita niatrika mpampijaly rehefa niantehitra tamin’i Jehovah. (Sl 18:17) Nampahafantarin’i Estera ny mpanjaka, ohatra, ny teti-dratsin’i Hamana ratsy fanahy. (Es 7:​1-6) Talohan’izay anefa dia nifady hanina izy mba hampisehoana hoe miantehitra amin’i Jehovah. (Es 4:​14-16) Notahin’i Jehovah ny ezaka nataon’i Estera, dia narovany izy sy ny vahoakany.

Ry tanora, misy mampijaly ve ianao? Iangavio i Jehovah mba hanampy anao. Miresaha koa amin’ny olona matotra momba an’ilay olana, ohatra hoe ny ray aman-dreninao. Matokia fa hanampy anao i Jehovah hoatran’ny nataony tamin’i Estera. Misy zavatra hafa azonao atao koa ve?

JEREO ILAY VIDEO HOE NY FIAINANAY TANORA: AHOANA NO HATAOKO FA AMPIJALIN’NY ANKIZY AHO? VALIO IRETO AVY EO:

  • Inona no azon’ny tanora ianarana avy amin’i Charlie sy Ferin?

  • Nolazain’i Charlie sy Ferin hoe nanampy azy ireo ny ray aman-dreniny. Inona no ianaran’ny ray aman-dreny avy amin’izany?