Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

2-8 Septambra

SALAMO 79-81

2-8 Septambra

Hira 29 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Asehoy hoe Tianao ny Anaran’i Jehovah Be Voninahitra

(10 min.)

Halaviro ireo fanao manala baraka an’i Jehovah (Sl 79:9; w17.02 9 § 5)

Antsoy ny anaran’i Jehovah (Sl 80:18; ijwbv 3 § 4-5)

Omen’i Jehovah valisoa be dia be izay tia ny anarany ka mankatò azy (Sl 81:13, 16)

Hahazo voninahitra i Jehovah noho ny fitondran-tenantsika raha ampahafantarintsika ny olona hoe Vavolombelon’i Jehovah isika

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(1 min.) ISAN-TRANO. Asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd lesona 4, hevitra 4)

5. Miresadresaha Aloha

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd lesona 4, hevitra 3)

6. Miresadresaha Aloha

(2 min.) AMPAHIBEMASO. Asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd lesona 3, hevitra 3)

7. Rehefa Miverina Mitsidika

(5 min.) ISAN-TRANO. Asao hianatra Baiboly indray ny olona iray tsy nety nianatra teo aloha. (lmd lesona 8, hevitra 3)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 10

8. “Hanamasina ny Anarako Izy Ireo”

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Nanomboka nanala baraka ny anaran’i Jehovah i Satana tao amin’ny zaridainan’i Edena. Izao ny fanapahan-kevitra lehibe indrindra tsy maintsy raisin’ny olombelona sy ny anjely rehetra, nanomboka teo: Hanamarina ny anaran’i Jehovah ve izy ireo sa tsia?

Eritrereto ny sasany amin’ireo lainga ratsy be aelin’i Satana momba an’i Jehovah. Mpitondra masiaka sy lozabe, hono, i Jehovah. (Ge 3:1-6; Jb 4:18, 19) Lazainy koa fa tsy tena tia an’i Jehovah ny mpanompony. (Jb 2:4, 5) Olona an-tapitrisany mihitsy aza no voataonany ka lasa mino hoe tsy i Jehovah no namorona an’ireo zavatra tsara tarehy manodidina antsika.​—Ro 1:20, 21.

Inona no tsapanao rehefa maheno an’ireny lainga ireny? Azo inoana hoe te hiaro an’i Jehovah ianao. Efa fantatr’i Jehovah fa te hanampy azy hanamasina ny anarany ny mpanompony. (Ampitahao amin’ny Isaia 29:23.) Inona no azonao atao?

  • Ampio ny olon-kafa mba hahafantatra an’i Jehovah sy ho tia azy. (Jn 17:25, 26) Isaky ny mahita hirika ianao, dia miresaha porofo mampiseho hoe tena misy izy ary ampianaro momba ny toetrany tena tsara ny olon-kafa.​—Is 63:7

  • Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo. (Mt 22:37, 38) Asehoy hoe te hampifaly an’i Jehovah ianao matoa mankatò ny didiny, fa tsy hoe satria mahasoa anao fotsiny izany.​—Oh 27:11

Alefaso ilay VIDEO hoe Aza Avela ho Levona Mihitsy ny Fitiavanao... Na Mafy aza ny Mahazo Anao any Am-pianarana. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Ahoana no niarovan’i Ariel sy Diego ny anaran’i Jehovah?

  • Fa maninona ry zareo no te hiaro an’i Jehovah?

  • Ahoana no azonao anahafana an-dry zareo?

9. Fianarana Baiboly

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 88 sy Vavaka