Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

28 Oktobra–3 Novambra

SALAMO 103-104

28 Oktobra–3 Novambra

Hira 30 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. “Tsy Hadinony hoe Vovoka Ihany Isika”

(10 min.)

Be fangorahana i Jehovah ka izany no mahatonga azy hahay handanjalanja (Sl 103:8; w23.07 21 § 5)

Tsy manary antsika i Jehovah rehefa manao fahadisoana isika (Sl 103:9, 10; w23.09 6-7 § 16-18)

Tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika mihitsy izy (Sl 103:14; w23.05 26 § 2)

SAINTSAINO IZAO: ‘Mahay mandanjalanja hoatran’i Jehovah ve izaho rehefa mifandray amin’ny vadiko?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 104:24: Inona no ianarantsika avy amin’io andininy io momba ny fampiasan’i Jehovah ny heriny mba hamoronana zavatra vaovao? (cl 55 § 18)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) AMPAHIBEMASO. (lmd lesona 3, hevitra 4)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) ISAN-TRANO. Iaraho midinika amin’ny olona anankiray nanaiky hianatra Baiboly ilay video hoe Faly Hiara-mianatra Baiboly Aminao Izahay. (th lesona 9)

6. Lahateny

(5 min.) lmd Fanazavana Fanampiny A, hevitra 6: Foto-kevitra: Tokony ho “Tia ny Vadiny Tahaka ny Tenany ny Lehilahy Tsirairay.” (th lesona 1)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 44

7. Tadidio fa Voafetra ny Mety ho Vitanao

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Faly i Jehovah rehefa ny tsara indrindra no omentsika azy, ary mahafaly antsika koa izany. (Sl 73:28) Mety hiady saina sy ho diso fanantenana anefa isika, raha miezaka ny hanome ny tsara indrindra nefa manadino hoe misy fetrany ihany ny mety ho vitantsika.

Alefaso ilay VIDEO hoe Izay Azonao Atao Ihany Ifantohana dia Hahavita Be Ianao. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Inona no antenain’i Jehovah amintsika? (Mi 6:8)

  • Inona no nanampy an’ilay anabavy tanora mba tsy hiady saina be loatra amin’ilay hoe hanatratra tanjona?

8. Fianarana Baiboly

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 29 sy Vavaka