Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

30 Septambra–6 Oktobra

SALAMO 90-91

30 Septambra–6 Oktobra

Hira 140 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Matokia An’i Jehovah Raha Te ho Ela Velona Ianao

(10 min.)

Tsy afaka manalava ny androm-piainantsika isika olombelona (Sl 90:10; wp19.3 5 § 2-4)

Efa nisy “hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay” i Jehovah (Sl 90:2; wp19.1 5, efajoro)

Afaka manome fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra matoky azy i Jehovah, ary tena hanao an’izany (Sl 21:4; 91:16)

Aza manaiky hanaraka fitsaboana mifanohitra amin’ny fitsipik’i Jehovah mihitsy. Hanimba ny fifandraisanao amin’i Jehovah mantsy izany.​—w22.06 18 § 16-17.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 91:11: Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanampian’ny anjely? (wp17.5 5)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Aza tonga dia miresaka Baiboly, fa resadresaho aloha ilay olona mba hahafantaranao hoe inona no mampanahy azy. Ho hitanao amin’izay hoe inona ny andinin-teny afaka manampy azy eo amin’ny fiainany andavanandro. (lmd lesona 1, hevitra 3)

5. Miresadresaha Aloha

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. (lmd lesona 1, hevitra 1)

6. Lahateny

(5 min.) lmd Fanazavana Fanampiny A, hevitra 5: Foto-kevitra: Ho Afaka Hiaina Mandrakizay eto An-tany Ianao. (th lesona 14)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 158

7. Ankasitraho Andriamanitra Satria Faran’izay Manam-paharetana Izy: Ny Fiheveran’i Jehovah ny Fotoana

(5 min.) Fiaraha-midinika.

Alefaso ilay VIDEO. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Mila miezaka hahazo ny fiheveran’i Jehovah ny fotoana isika. Nahoana izany no hanampy antsika hanam-paharetana rehefa miandry ny fahatanterahan’ny fampanantenany?

8. Zava-bitan’ny Fandaminana, izay tokony halefa amin’ity volana Septambra ity

(10 min.) Alefaso ilay VIDEO.

9. Fianarana Baiboly

(30 min.) rr toko 15 § 8-14

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 34 sy Vavaka