7-13 Oktobra
SALAMO 92-95
Hira 84 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Tsy Misy Tsara Hoatran’ny Manompo An’i Jehovah!
(10 min.)
Mendrika ny hotompointsika i Jehovah (Sl 92:1, 4; w18.04 26 § 5)
Manampy ny vahoakany hahay hanao safidy sy ho sambatra izy (Sl 92:5; w18.11 20 § 8)
Sarobidy amin’i Jehovah izay manompo azy na dia efa antitra aza (Sl 92:12-15; w20.01 19 § 18)
SAINTSAINO IZAO: ‘Inona no manakana ahy tsy hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa?’
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
-
Sl 92:5: Nahoana no mahalaza tsara ny fahendren’i Jehovah ny teny ao amin’io andininy io? (cl 176 § 18)
-
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Baiboly
(4 min.) Sl 94:1-23 (th lesona 5)
4. Miresadresaha Aloha
(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Rehefa miresadresaka amin’ilay olona ianao, dia mitadiava hevitra hahafahanao hilaza aminy hoe mampianatra Baiboly ianao. (lmd lesona 5, hevitra 3)
5. Rehefa Miverina Mitsidika
(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Asao hianatra Baiboly indray ny olona iray liana, izay tsy nety nianatra teo aloha. (lmd lesona 8, hevitra 4)
6. Rehefa Mampianatra
(5 min.) Resaka ifanaovana amin’ny mpianatra Baiboly anankiray tsy mandroso. (lmd lesona 12, hevitra 5)
Hira 5
7. Ahoana Raha Mitebiteby Be ny Tanora Iray?
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Mety hitebiteby isika na dia manompo an’i Jehovah aza. Nitebiteby, ohatra, i Davida indraindray, ary maro amin’ny mpiara-manompo amintsika koa no hoatr’izany. (Sl 13:2; 139:23) Mampalahelo fa na ny tanora aza tratran’izany. Indraindray rehefa mitebiteby ny olona iray, dia mitady tsy ho vitany na dia ny zavatra efa fanaony mahazatra aza, ohatra hoe mandeha mianatra na mandeha mivory. Mety hatahotra be tampoka mihitsy aza izy, na te hamono tena.
Ry tanora, raha sendra mitebiteby be ianao, dia miresaha amin’ny ray aman-dreninao, na amin’ny olon-dehibe matotra anankiray. Aza hadinoina koa ny mangataka ny fanampian’i Jehovah. (Fi 4:6) Hanampy anao izy. (Sl 94:17-19; Is 41:10) Jereo ny fomba nanampiany an’i Steing.
Alefaso ilay VIDEO hoe Tena Nikarakara Ahy i Jehovah. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:
• Inona ny andinin-teny nanampy an’i Steing, ary nahoana?
• Ahoana no nikarakaran’i Jehovah azy?
Ry ray aman-dreny, afaka manampy ny zanakareo ianareo rehefa mitebiteby izy ireo. Henoy tsara izy, asehoy azy hoe tia azy ianareo, ary omeo toky izy hoe tia azy koa i Jehovah. (Tit 2:4; Jk 1:19) Miantehera amin’i Jehovah, fa izy no hanome anareo ny fampaherezana sy ny hery ilainareo mba hanampiana ny zanakareo.
Mety tsy ho fantatsika hoe misy olona mitebiteby be eo anivon’ny fiangonana, na koa mety tsy ho azontsika izay tsapany. Rehefa asehontsika amin’ny rehetra eo anivon’ny fiangonana anefa hoe tia azy ireo isika ary tsy manilikilika azy, dia efa tena manampy be izany.—Oh 12:25; He 10:24.
8. Fianarana Baiboly
(30 min.) rr toko 15 § 15-17, efajoro 15A