Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Mandia Fotoan-tsarotra ny Ankizy Iriko ny haneho ny fankasitrahako noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra tao amin’ny nomerao tamin’ny 8 Aprily 1999 hoe “Mandia Fotoan-tsarotra ny Ankizy — Iza no Hiaro Azy Ireo?” Heveriko fa tokony ho tosika tsy an-kijanona hanairana ny daholobe ilay loha hevitra manaitra mafy momba ny fampijaliana ankizy. Adidintsika ny miaro ny tontolon’ireo zanatsika. Enga anie ianareo hanohy ny asa tsara ataonareo.

P. P., Mpanolo-tsaina ao amin’ny Birao Momba ny Ankizy, Tanànan’i Roma, Italia

Manafintohina mafy ny mieritreritra hoe mbola misy ankizy maro foana miasa toy ny andevo sy atao fitaovana hamonoana olon-kafa, eo an-tokonan’ny taonjato faha-21. Mbola vao mainka sarotra ny manaiky ny hoe tsy manana fanantenana firy hahazo fiainana tsara kokoa ny ankamaroan’izy ireny. Tamin’ity indray mandeha ity koa, dia nilazalaza araka ny marina ny fahoriana mahazo ny ankizy eran-tany ny Mifohaza!

S. R. B., Brezila

Vehivavy nisara-panambadiana aho izao, taorian’ny 36 taona nanambadiana. Nanjary fantatro fa nanao fihetsika vetaveta tamin’ireo zanako naterako, dia ireo zanako vavy malala, ny vadiko, nandritra ny taona maro. (Tsy Kristianina izy.) Voadona mafy ny saiko fony aho nahafantatra izany. Toa tsy misy mahatakatra fa tena ratsy ny fametavetana, na tsy hay lazaina ny fijaliana zakain’ireo tsy manan-tsiny. Koa misaotra an’i Jehovah àry aho noho ny nanoratanareo momba io loza mihanaka io.

N. M., Etazonia

Maniry Zavatra Tsy Mety ho Azonao Vao nahavita ny famakiana ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Tsy mba Afaka Mahazo Izay Zavatra Iriko?” (8 Aprily 1999), indrindra aho. Tiako ny hisaotra anareo noho io lahatsoratra io, satria izy io nahatonga ahy hahatakatra fa tsy afaka ny hahazo izay rehetra iriko aho. Araka ny voalazan’ilay lahatsoratra anefa, dia fantatr’i Jehovah izay ilaintsika ary tena faly aho, satria manana fiainana tsotra.

C. K., Kanada

Zanaka Dimy Lahy Nahaliana ahy ilay lahatsoratra hoe “Misaotra An’i Jehovah Aho Noho Ireo Zanako Dimy Lahy” (8 Aprily 1999), satria nisy itovizany tamin’ny fiainan’i Helen Saulsbery ny an-dreniko. Taona iray no nanaovana batisa azy mirahavavy. Toa an’i Helen, dia vehivavy mikarakara tokantrano ny reniko ary nikarakara anay fony sahirana mafy ara-bola izahay mianakavy — bankirompitra ny kompanian’ny raiko. Mpisava lalana, na mpitory manontolo andro, koa izy, ary nilaza taminay foana fitantarana nahaliana teny amin’ny saha fanompoana. Nahatonga ny fanompoan’ny mpisava lalana ho tena nanintona ahy izany. Amin’izao izaho manan-janaka roa vavy izao, dia takatro ny ezaka be nataon’ny reniko ho anay.

M. S., Japon

Fisaorana manokana no atolotro noho ilay lahatsoratra. Raim-pianakaviana aho, ary miezaka manaraka ny torohevitry ny Baiboly, nefa matetika aho no mahatsapa ho tsy ampy fahaizana. Nampahatanjaka ahy mba hanohy hatrany, ny fitantarana ny amin-dry Saulsbery mianakavy.

R. M. R., Brezila

Fampiasana Ankizy Tsy Ampy Taona Misaotra noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Fampiasana Ankizy Tsy Ampy Taona — Efa Tsinjo ny Farany!” (8 Jona 1999). Tamin’ny nahitako voalohany an’ilay fonony, dia tsoriko fa noheveriko ho tsy mahakasika ny taniko ireo lahatsoratra ireo. Raha vao nanomboka namaky anefa aho, dia tsy afaka nijanona. Raha lazaina mazava, dia nihoron-koditra aho. Nividy nonorsa nozairin-tanana aho, vao haingana, tamin’ny vidiny ambany lavitra noho ny raha natao teto Japon ilay izy. Mahavaky fo ny mieritreritra fa mety ho ny fitondrana tsy mifaditrovana natao tamin’ny ankizy kely no ao ambadik’ilay vidiny mora.

S. O., Japon

Lanja Folo taona aho. Misaotra noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Hataoko mba Tsy Hibahana ao An-tsaiko Intsony ny Lanjako?” (8 Jona 1999). Nihevitra foana aho fa tafahoatra ny lanjako. Rehefa namaky io lahatsoratra io aho, dia nanjary takatro fa tsy ny bikan’ny olona iray akory no zava-dehibe. Ny toetran’ny olona iray no zava-dehibe kokoa.

M. S., Rosia