Fampidiran-dra — Tantara Lava Feno Fiadian-kevitra
Fampidiran-dra — Tantara Lava Feno Fiadian-kevitra
“Raha fanafody vaovao ny liomena amin’izao andro izao, dia ho sarotra be ny hahazoan-dalana hampiasa azy.” — Dr. Jeffrey McCullough.
TAMIN’NY ririnin’ny taona 1667, dia nentina tany amin’i Jean-Baptiste Denis, dokotera nalazan’i Louis XIV, mpanjakan’i Frantsa, ny lehilahy adala iray sy nahery setra nantsoina hoe Antoine Mauroy. Nanana ny “fanafody” filamatra ho an’ny hadalan’i Mauroy i Denis: fampidirana ran-janak’ondry, izay noheveriny fa hampitony ilay marariny. Tsy nandeha tsara anefa ny toe-javatra ho an’i Mauroy. Marina aloha fa nihatsara izy taorian’ny fampidiran-dra fanindroany. Nihetsika indray anefa ny fahavoazan’ny sain’ilay Frantsay, fotoana fohy taorian’izany, ka tsy ela akory dia maty izy.
Niteraka adihevitra nafana tany Frantsa ny andrana nataon’i Denis, izay nampiasany ram-biby, na dia fantatra aza tatỳ aoriana fa fanapoizinana tamin’ny arsenika no tena nahafaty an’i Mauroy. Tamin’ny farany, tamin’ny 1670, dia norarana ilay fomba fitsaboana. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nandrara ny hampiasana azy io koa ny Parlemanta anglisy ary na dia ny papa aza. Hadino ny resaka fampidiran-dra nandritra ireo 150 taona nanaraka.
Loza tany am-boalohany
Velona indray ny fampidiran-dra tamin’ny taonjato faha-19. Anglisy nantsoina hoe James Blundell, dokotera manam-pahaizana momba ny fiterahana, no nitarika izany. Nanana teknika nohatsaraina sy fitaovana maoderina i Blundell, sady nanizingizina fa ran’olombelona ihany no tokony hampiasaina, ka nisarika ny sain’ny daholobe indray ho amin’ny fampidiran-dra izy.
Tamin’ny 1873 anefa, dia nampiadana ny famelomana indray ny fampidiran-dra ny dokotera poloney iray nantsoina hoe F. Gesellius, rehefa nahita zavatra nampahatahotra: Maherin’ny antsasak’ireo fampidiran-dra natao no niafara tamin’ny fahafatesana. Nisy dokotera nalaza nanomboka nanakiana ny fampidiran-dra, rehefa nandre izany. Nanjary lefy laza indray ny fampidiran-dra.
Avy eo, tamin’ny 1878, i Georges Hayem, dokotera frantsay, dia nahavita soa aman-tsara ranoka masira, izay mety hahasolo ra, araka ny filazany. Tsy mba toy ny ra ny ranoka masira, fa tsy misy vokany hafa, tsy mivaingana ary tsy mananosarotra ny fitaterana azy. Tsy mahagaga raha nanjary niely patrana ny fampiasana ny ranoka masiran’i Hayem. Mahagaga anefa fa tsy ela dia tian’ny daholobe kokoa indray ny ra. Fa nahoana?
Tamin’ny 1900 mantsy, dia hitan’ilay Aotrisianina nantsoina hoe Karl Landsteiner, mpanao fikarohana momba ny aretina, fa hay, misy karazany ny ra, ary hitany fa tsy afaka mifangaro foana
ny ra samy hafa karazana. Tsy mahagaga raha niafara tamin’ny loza ny fampidiran-dra maro aoka izany tamin’ny lasa! Azo ovana izany izao, amin’ny fanaovana fotsiny izay hahazoana antoka fa afaka mifangaro amin’ny karazan-dran’ilay mpandray ny an’ilay mpanome. Rehefa nahalala izany ireo dokotera, dia natoky indray ny fampidiran-dra — ara-potoana tsara ho amin’ny Ady Lehibe Voalohany.Ny fampidiran-dra sy ny ady
Nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, dia nampiasaina be dia be ny fampidiran-dra tamin’ireo miaramila naratra. Mivaingana haingana ny ra, mazava ho azy, ary teo aloha, dia nila ho tsy azo natao ny nitatitra azy io nankany amin’ny toeram-piadiana. Teo am-piandohan’ny taonjato faha-20 anefa, ny Dr. Richard Lewisohn, tao amin’ny Mount Sinai Hospital, ao New York, dia nahomby rehefa nanao andrana tamin-javatra misakana ny ra tsy hivaingana, antsoina hoe citrate de soude. Fahagagana no niheveran’ny dokotera sasany an’io fandrosoana tampoka nampientam-po io. “Izany dia mila hitovy amin’ny hoe najanona tsy hihetsika ny masoandro”, hoy ny nosoratan’ny Dr. Bertram M. Bernheim, dokotera nalaza tamin’ny androny.
Nitombo ny fangatahan-dra nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Natao vary raraka ny fanentanana ny daholobe tamin’ny alalan’ny takelaka misy soratra hoe “Manomeza Ra Izao”, “Afaka Mamonjy Azy ny Ranao”, ary “Nanome ny Rany Izy. Hanome ny Anao ve Ianao?” Be dia be no namaly ilay antso fangatahan-dra. Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia ra 6 500 000 litatra teo ho eo no nisy nanome, tany Etazonia. Notombanana fa ra maherin’ny 260 000 litatra no nangonina tany Londres, sy nozaraina. Mazava ho azy fa nitondra loza ara-pahasalamana maromaro ny fampidiran-dra, araka ny hita mazava tsara tatỳ aoriana kely.
Aretina nentin’ny ra
Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nanao dingan-dava ny fitsaboana ka azo natao ny fandidiana sasany izay tsy azo nalaina sary an-tsaina akory teo aloha. Ho vokany, dia niseho ny orinasa iray naneran-tany nikirakira vola an’arivo tapitrisany dolara maro isan-taona, mba hamatsy ra hanaovana fampidiran-dra, izay nanomboka noheverin’ny dokotera ho fomba fitsaboana filamatra, rehefa mandidy.
Tsy ela anefa dia nisongadina ny fanahiana ny amin’ny aretina mifandray amin’ny fampidiran-dra. Nandritra ny Adin’i Korea, ohatra, dia efa ho ny 22 isan-jaton’ireo nampidirana ranon-dra no voan’ny hépatite — efa ho avo telo heny noho ny nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Tamin’ireo taona 1970, ny Foibe Amerikanina Miady Amin’ny Aretina dia nanombana fa 3 500 no maty isan-taona noho ny hépatite mifandray amin’ny fampidiran-dra. Misy hafa manombana avo folo heny noho izany.
Noho ny fitiliana tsara kokoa sy ny fifantenana tamim-pitandremana kokoa ny mpanome ra, dia nihena ny fifindran’ny aretina hépatite B. Avy eo anefa dia niteraka fahavoazana be ilay virosy amin’ny endriny iray vaovao — ny virosin’ny hépatite C — ary mahafaty indraindray. Notombanana fa Amerikanina efatra tapitrisa no tratran’ilay virosy, ka tamin’ny alalan’ny fampidiran-dra no nahazoan’ny ana hetsiny maro ilay izy. Marina aloha fa nampihena ny fielezan’ny hépatite C ny fitsirihana hentitra dia hentitra, tatỳ aoriana. Na izany aza, dia misy matahotra sao hisy loza vaovao hipoitra izay tsy ho fantatra raha tsy rehefa diso aoriana loatra.
Raharaha iray hafa mahafa-baraka: ra voaloton’ny VIH
Tamin’ireo taona 1980, dia hita fa afaka mandoto ny ra ny VIH, ilay tsimokaretina miteraka ny SIDA. Tamin’ny voalohany, dia halan’ireo mpiasa tao amin’ny bankin-dra ny nieritreritra hoe mety ho voaloto ny tahirin-drany. Maro tamin’izy ireo, tamin’ny voalohany, no nisalasala ny amin’ny fandrahonana nentin’ny VIH. Araka ny voalazan’ny Dr. Bruce Evatt, dia “toy ny hoe nisy olona avy nirenireny tany an’efitra nilaza hoe: ‘Nahita zavamananaina avy any amin’ny planeta hafa aho.’ Nihaino izy ireo, nefa tsy nino tsotra izao”.
Na izany aza, dia nipoaka ny raharaha nahafa-baraka tany amin’ny tany maro nisesy, satria voala sarona fa nisy ra voaloton’ny VIH. Notombanana fa, tany Frantsa, dia olona teo anelanelan’ny 6 000 sy 8 000 no tratran’ny VIH, tamin’ny alalan’ny fampidiran-dra izay natao teo anelanelan’ny taona 1982 sy 1985. Heverina ho nahatonga ny 10 isan-jaton’ireo tratran’ny VIH nanerana an’i Afrika sy ny 40 isan-jaton’ny voan’ny SIDA any Pakistan, ny fampidiran-dra. Amin’izao andro izao, noho ny fitiliana efa nihatsara, dia mahalana vao ahitana fifindran’ny VIH amin’ny alalan’ny fampidiran-dra any amin’ny tany mandroso. Mbola olana ihany anefa ny fifindran’ny VIH any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, izay tsy misy fanaovana fitiliana.
Tsy mahagaga raha toa ka nitombo ny fahalianana amin’ny fitsaboana sy ny fandidiana tsy ampiasana ra tato anatin’ireo taona faramparany. Azo antoka anefa ve io fomba fitsaboana hafa io?
[Efajoro, pejy 6]
Fampidiran-dra — Tsy Misy Fari-pitsipika Ara-pitsaboana
Isan-taona, any Etazonia fotsiny, dia liomena maherin’ny 5 500 000 litatra no ampidirina amin’ny marary miisa 3 000 000. Rehefa heverina izany isa lehibe izany, dia mety hisy hanatsoaka hevitra fa misy fari-pitsipika hentitra eo amin’ireo dokotera, raha ny amin’ny fanaovana fampidiran-dra. Manamarika anefa ny The New England Journal of Medicine fa mahagaga ny tsy ananana afa-tsy fanazavana kely “ho mpitari-dalana eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mahakasika fampidiran-dra”. Eny tokoa, maro samihafa ny ataon’ny dokotera, tsy mahakasika indrindra izay zavatra ampidirina sy ny habetsahan’izany ihany, fa mahakasika koa ny hoe hanao fampidiran-dra ve, sa tsia. “Miankina amin’ny dokotera, fa tsy amin’ny marary, ny fampidiran-dra”, hoy ilay gazety ara-pitsaboana hoe Acta Anæsthesiologica Belgica. Rehefa dinihina izay voalaza etsy ambony, dia tsy mahagaga firy raha hitan’ny fandinihana iray nivoaka tao amin’ny The New England Journal of Medicine fa “tombanana ho ny 66 isan-jaton’ny fampidiran-dra no natao tamim-pahadisoana”.
[Sary, pejy 5]
Nitombo ny fangatahan-dra nandritra ny Ady Lehibe Faharoa
[Sary nahazoan-dalana]
Imperial War Museum, London
U.S. National Archives photos