Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Ilaina ny Fiomanana ho Amin’ny Loza

“Araka ny voalazan’ny World Disasters Report 1999”, hoy ny fanambaran’ny Federasiôna Iraisam-pirenen’ny Vokovoko Mena sy ny Fikambanan’ny Croissant Rouge, “dia ny taon-dasa no taona ratsy indrindra voarakitra an-tsoratra tamin’ny fotoan’ny loza araka ny natiora, satria niteraka fanimbana betsaka indrindra.” Ny hain-tany, ny fihenan’ny fahavokaran’ny tany, ny tondra-drano ary ny fandripahana ala dia nanery olona 25 tapitrisa hiala tamin’ny tany famboleny, sy hitady fialofana tany amin’ny faritra an-tanàn-dehibe feno trano tsizarizary, ka niteraka “ ‘mpitsoa-ponenana’ maro kokoa noho ny nateraky ny ady sy ny fifandonana”. Ny tany an-dalam-pandrosoana, izay ahitana ny 96 isan-jaton’ny maty rehetra vokatry ny loza araka ny natiora, no voa mafy indrindra. Nandritra ireo dimy taona farany, dia nihena ho 40 isan-jato ny tahirim-bolan’ny fikambanana mpanome fanampiana. Nanasongadina ny ilana hanovana ny fomba fijery ny fiomanana ho amin’ny loza i Peter Walker, talen’ny sampana paikady raha misy loza ao amin’ilay federasiôna, ka nanamarika hoe: “Tsy mandaitra ny fihetsika mandeha ho azy eo anoloan’ny loza (...) Tsy hiandry ny hirehetan’ny trano iray isika vao hanangom-bola ho an’ny sampan-draharahan’ny hain-trano.”

Loza Rehefa Mamelana ny Volotsangana

Misy alam-bolotsangana mandrakotra faritra midadasika any amin’ny faritra avaratratsinanan’i Inde. Velona ahiahy ny olona ao amin’ny fanjakan’i Manipur sy i Mizoram, rehefa nanomboka namelana ny volotsangana any. Nahoana? Satria tsy mamelana ny mautang, karazany iray manokana amin’ny volotsangana ao amin’ireny faritra ireny, raha tsy indray mandeha isaky ny 50 taona eo ho eo, ary misarika voalavo izy io. Mihinana ny felana mantsy ireo voalavo, ka mitombo isa haingana, ary manomboka mamely ny voly atao sakafo avy eo, ka miteraka mosary amin’ny farany. Araka ny voalazan’ny The Times of India, dia nisy mosary tamin’ny 1957, rehefa avy namelana ny volotsangana tamin’ny 1954/1955. Niezaka nisakana mosary iray hafa ny fitondram-panjakana ao amin’ny Fanjakan’i Mizoram, ka namatsy vola ny hetsika iray hamonoana ireo voalavo. Nanolotra vola iray roupie isaky ny rambom-boalavo iray izy ireo. Tamin’ny Aprily, ohatra, dia rambo 90 000 teo ho eo no voangona, ary mbola nisy vola nangatahina mba hanohizana ilay hetsika iadiana amin’ny voalavo.

Voatabiha Miady Amin’ny Kansera

Asehon’ny fandinihana vao haingana natolotry ny Fikambanana Amerikanina Manao Fikarohana Momba ny Kansera fa ao amin’ny voatabiha dia mety hisy zavatra misakana ny fihomboan’ny kanseran’ny prostaty. Mety hampihena ny fivontosana vokatry ny kanseran’ny prostaty, sy hampihena ny fitaran’ny kansera ho amin’ny tambatsela hafa amin’ny vatana, ny zavatra izay mahatonga ny voatabiha hanana ilay loko mena. Ny fandinihana iray nataon’ny Ivon-toeram-pirenena Amerikanina Momba ny Kansera dia “nampiharihary fa ny voatabiha sy ny zavatra rehetra avy aminy, dia nisy vokany nandaitra tamin’ny ady tamin’ny kansera, tsy ny kanseran’ny prostaty ihany, fa ny kanseran’ny sarakaty sy ny havokavoka ary ny tsinaibe koa”.

Fahavoazan’ny Saina eo Amin’ny Ankizy

Ny ampahadimin’ny tanora britanika latsaka ny 20 taona no misy fahavoazana ao amin’ny sainy, araka ny tatitra iray nataon’ny Fikambanana Momba ny Fahasalaman’ny Saina. “Toa variana fotsiny amin’ny fahasalamana ara-batana sy ny zava-bitan’ny ankizy eo amin’ny fianarana ny Fanjakana sy ny matihanina ary ny fampitam-baovao”, hoy ny fanazavan’i June McKerrow, prezidan’ilay fikambanana, nefa ny ankizy “tsy mivelatra tsara ara-pihetseham-po” akory. Milaza ilay tatitra fa mety hisy anton-javatra maromaro mahatonga izany. “Mihakely hatrany ny taonan[’ny ankizy] izay efa terena sahady hampitaha tena amin’ireo mitovitovy taona aminy amin’ny alalan’ny fanadinana sy ny fanombantombanana”, ka miala amin’ny fianarana ny ankamaroany, satria mihevi-tena ho tsy mahomby. Ôrdinatera sy televiziona no nisolo ny lalao an-kalamanjana izay manampy ny tanora “hieritreritra rehefa handray fanapahan-kevitra sy hatoky tena bebe kokoa ary hahay hiarina aorian’ny faharesena”. “Manaitra faniriana hahazo zavatra izay tsy ananany na ho tonga olona hafa” ny dokambarotra. Fanampin’izany, noho ny tahan’ny fisaraham-panambadiana efa hahatratra 50 isan-jato, sy ny fiasan’ny ray aman-dreny maro, dia “mitombo [ny fihenjanana mahazo ny ankizy], noho izy ireo tsy afaka miantehitra amin’ny tsy fihilangilanana ara-pihetseham-po ao amin’ny fianakaviany”, hoy ny nomarihin’ny The Daily Telegraph.

Izay Miakatra dia Midina

Fahita any amin’ny faritra sasany any Etazonia sy ao amin’ny tany maromaro any Amerika Latinina ny fankalazan’ny mpanaram-po amin’ny fety ny fanombohan’ny taona vaovao iray amin’ny alalan’ny fanaovana tifi-danitra. Mampirisika mafy azy ireo mba tsy hanao izany anefa ny polisy. “Rehefa manao tifi-danitra ianao”, hoy i Willie Williams, lehiben’ny polisy any Los Angeles, dia “tena midina tokoa any ho any ilay bala.” Ary mety ho lohan’olon-kafa izany idinany izany. Olona maherin’ny roa ambin’ny folo no maty tamin’izany tany Etazonia, nandritra ny taona vitsivitsy. Fanampin’izany, dia nisy tatitra an-jatony maro voaray momba ny ratra sy ny fananana simba, vokatry ny bala avy tany amin’ny kilaometatra maro any, indraindray. Matetika ny olona manao tifi-danitra no diso fihevitra hoe potika any amin’ny rivotra any, na hoe tsy handratra na iza na iza ilay bala, rehefa midina. Ny bala iray natifitra tany ambony anefa dia miverina, ary tena mafy be ny fiantraikany ka “ampy mba handratra ny hoditra, hanapoa-maso na hitsofoka ao amin’ny lohamalemin’ny zazakely iray”, araka ny voalazan’i Fred King, mpitondra tenin’ny Sampan-draharahan’ny Polisy any Houston.

Mihamitombo ny Tsy Fileferana Ara-pivavahana

Araka ny voalazan’ny Federasiôna Iraisam-pirenena any Helsinki, fikambanana iray momba ny zon’olombelona, dia nitombo tany Eoropa ny “tena fanenjehana amin’ny endriny maro samihafa” an’ireo antsoina hoe fivavahana vaovao, hoy ny tatitra nataon’ny Catholic International. Mba hanoherana ny fivavahana madinika, dia misy fitondram-panjakana maromaro manandrana mandray fepetra ara-dalàna izay mandika ny fanekena hanome vahana ny fahalalahana hanaraka ny feon’ny fieritreretana sy ny fahalalahana ara-pivavahana. Nampitombo tsy fileferana sy fanavakavahana ny tatitra miteraka adihevitra nataon’ny parlemanta sy ny lisitra maintin’ireo “sekta mampidi-doza” any Alemaina, Belzika, ary Frantsa. Kanefa, manazava i Willy Fautré, talen’ny Zon’olombelona Tsy Voafetran’ny Sisin-tany, fa “vitsy dia vitsy” monja amin’ireo fivavahana ireo no mandrahona ny fiaraha-monina, fa fitiavana hampitombo tahotra fotsiny izany. Nanampy trotraka ilay olana ireo fiangonana lehibe, hoy izy, tamin’ny fakana ny toeran’ny “sady mpitory no mpitsara” tao amin’ireo fifandirana sy tamin’ny fampirisihana “ny fifandonana fa tsy ny fifanakalozan-kevitra”.

Torimaso Ampy

Tsy ampy torimaso amin’ny alina ny olona “ta hatory kely foana mandritra ny andro, rendremana mandritra ny fivoriana, na sahirana mampifantoka ny sainy”, hoy ilay gazety hoe Toronto Star. Mila torimaso eo anelanelan’ny adiny fito sy adiny sivy isan’alina ny ankamaroan’ny olona, ary tsy miovaova izany, mba ho afa-miasa tsara mandritra ny andro. Indreto misy soso-kevitra nomen’ny manam-pahaizana manokana ny amin’ny fomba hahazoana izany: Omeo ny laharam-pahamehana ny torimaso. Makà fotoana hampitonena anao, alohan’ny fotoana hatoriana. Mety hanampy ny fandehanana an-tongotra milamina. Halaviro anefa ny fanaovana fampiasan-tena mafy ao anatin’ireo adiny telo farany. Mandehana matory ary mifohaza amin’ny ora mitovy isan’andro. Raha taitra ianao amin’ny alina, dia aza manahy na manandrana mamaha olana — mieritrereta kosa zavatra mahafinaritra. Raha mbola tsy matory ihany ianao aorian’ny antsasak’adiny, dia mitsangàna ary manaova zavatra mampitony, toy ny famakian-teny mitondra fahafinaretana. Mitandrema mba tsy hihinan-kanina na hisotro zavatra betsaka loatra, alohan’ny hatoriana, nefa aza mandry fotsy koa.

Mihamitombo ny Ditran’ankizy

Nitombo ny isan’ny heloka bevava nataon’ny tanora tany Alemaina tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitra nataon’ilay gazety hoe Hessische-Niedersächsische Allgemeine. Niakatra ho 14,1 isan-jato “ny isan’ny ankizy nahiahina ho namely ara-batana” ny hafa. Niavaka indrindra ny fiakaran’ny isan’ny ankizy nahiahina izay latsaka ny 14 taona — nisy 152 774 — fitomboana 5,9 isan-jato. Niantso izany fitomboana izany hoe “tena mampanahy” i Otto Schily, Minisitra Federalin’ny Atitany, ka nanasongadina ny ilana handraisana fepetra fisorohana mafy kokoa. Na dia afaka manampy aza ny fanjakana, indrindra fa eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny asa, hoy ny fanazavany, dia ny fianakaviana indrindra indrindra no manana anjara lehibe eo amin’ny fisorohana ny heloka bevava.

Ny Faritany Farany Indrindra Azon’i Kanada

Tamin’ny 1 Aprily 1999, dia nahazo ny faritaniny farany indrindra i Kanada, dia i Nunavut izany, faritany any amin’ny faritra avaratra. Izay no fotoana voalohany niovan’ny saritanin’i Kanada, taorian’ny nikambanan’i Terre-Neuve tamin’ilay firaisam-panjakana, tamin’ny 1949. Mahafaoka ny ampahadimin’ny tanin’i Kanada eo ho eo i Nunavut, araka ny tatitra iray tao amin’ny gazety Toronto Star, ka midadasika kokoa noho i Québec, ilay provansy midadasika indrindran’ilay tany, izy io, araka izany. Miavaka koa izy io noho ny fananany mponina vitsy indrindra sy tanora indrindra eran’i Kanada. Olona sahabo ho 27 000 no mipetraka ao amin’io faritany io, ary latsaka ny 25 taona ny 56 isan-jato aminy. Ny fahazoana an’i Nunavut, izay midika hoe “Ny Taninay” amin’ny fiteny inuktitut, dia fahatanterahan’ny fifanekena teo amin’ny mponina inuit sy ny fanjakana federaly, momba ny tany onenana sy ny zon’ny Tompon-tany.