Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Fijery Voalanjalanja Momba ny Fomba Amam-panaon’ny Besinimaro

Fomba Fijery Voalanjalanja Momba ny Fomba Amam-panaon’ny Besinimaro

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Fomba Fijery Voalanjalanja Momba ny Fomba Amam-panaon’ny Besinimaro

“TSY METY HISY FOMBA FANAO IZAY TSY NOMELOHINA TANY ALOHA TANY, TAO AMIN’NY FARITRA IRAY, ARY NASAINA NOTANTERAHINA TOY NY ADIDY TATỲ AORIANA, TAO AMIN’NY FARITRA IRAY HAFA.”

IO TENY fanamarihana io no amintinan’ilay mpahay tantara irlandey atao hoe William Lecky ny toetra miovaovan’ny olona. Mety ho azo ampiharina koa amin’ny fomba amam-panao sy fomba nentim-paharazana nandritra ireo taonjato izany teniny izany. Fanao maro, izay noheverina ho tapany lehibe tamin’ny fiainana andavanandro tany aloha tany tokoa mantsy, no nomelohina tatỳ aoriana. Tsy mahagaga izany satria, araka ny nomarihin’ny apostoly Paoly, dia “eo am-piovana ny sehatr’ity tontolo ity”. — 1 Korintiana 7:31, NW.

Eny, miovaova tsy an-kijanona ny fiaraha-monin’ny olombelona. Matetika izany no hita taratra ao amin’ireo fiovana betsaka eo amin’ny fihetsika sy ny fahazaran’ny fiaraha-monina. ‘Tsy tokony ho naman’izao tontolo izao’ ny Kristianina — izany hoe mitoetra ho tafasaraka amin’ny fitambaran’olona lavitra an’Andriamanitra izy ireo. Na izany aza, ny Baiboly dia manaiky fa “eto amin’izao tontolo izao” ny Kristianina, ary tsy didiany hitoka-monina izy ireo. Tena zava-dehibe àry ny hananana fomba fijery voalanjalanja momba ny fomba amam-panao. — Jaona 17:11, 14-16; 2 Korintiana 6:14-17; Efesiana 4:17-19; 2 Petera 2:20.

Inona no atao hoe fomba amam-panao?

Ny fomba amam-panao dia fanao izay mihatra amin’ny fiainana ao amin’ny fiaraha-monina, ary mahazatra ny olona ao amin’ny toerana na ny sokajin’olona iray manokana. Ny fomba amam-panao sasany, toy ny fahalalam-pomba eo am-pihinanana sy ny fomba fanajana, dia mety ho niseho, satria nilaina ny nandamina ny fitondran-tenan’ny olona rehefa misy fiaraha-manao zavatra, mba hahatonga azy ireo hifampitondra amim-panajana. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia azo ampitahaina amin’ny menaka mampisosa ny fifandraisan’olombelona ny fahalalam-pomba ao amin’ny fiaraha-monina.

Nanan-kery lalina teo amin’ny fomba amam-panao ny fivavahana. Fomba amam-panao maro, raha ny marina, no nipoitra avy tamin’ny finoanoam-poana tranainy sy hevitra ara-pivavahana tsy mifototra amin’ny Baiboly. Ohatra, mety ho avy tamin’ny finoanoam-poana ara-pivavahana no niandohan’ny fanolorana voninkazo ho an’ny olona nidonam-pahoriana. * Fanampin’izany, ny loko manga — ampifandraisina matetika amin’ny zazalahy kely — dia noheverina ho nampandositra demonia. Natao hiarovan-tena amin’ny famosaviana amin’ny alalan’ny fijerena, ny fandokoana ny volomaso, ary ny lokomena kosa, dia nampiasaina hanakiviana demonia tsy hiditra eo amin’ny vavan’ny vehivavy iray, ka hitoetra ao aminy. Na dia ny fomba amam-panao tsy manimba toy ny fanampenana ny vava rehefa manoaka aza, dia mety ho niseho avy tamin’ilay hevitra hoe mety hivoaka eo amin’ny vava mitanatana iray ny fanahin’ny olona iray. Rehefa nandeha anefa ireo taona, dia nihalefy ny hevitra ara-pivavahana nifandray tamin’ireny fanao sy fomba amam-panao ireny ary tsy misy heviny ara-pivavahana izy ireny, amin’izao andro izao.

Ny zavatra mampanahy ny Kristianina

Rehefa tsy maintsy manapa-kevitra ny Kristianina iray na hanaraka fomba amam-panao iray na tsia, ny zavatra tokony hampanahy azy voalohany indrindra dia hoe: Ahoana no fiheveran’Andriamanitra, araka ny voalaza ao amin’ny Baiboly? Tamin’ny lasa, dia nanameloka fanao sasany, izay mety ho noleferina tao amin’ny fitambaran’olona sasany, Andriamanitra. Anisan’izany ny fanaovana sorona zaza, ny fampiasana ratsy ny ra, ary fanao maro samihafa mahakasika ny maha lahy sy ny maha vavy. (Levitikosy 17:13, 14; 18:1-30; Deoteronomia 18:10). Mitovy amin’izany koa fa fomba amam-panao sasany fahita amin’izao andro izao no mazava fa tsy mifanaraka amin’ny foto-pitsipika ara-baiboly. Anisan’izany ny fomba nentim-paharazana tsy ara-baiboly izay mifandray amin’ny fety ara-pivavahana, toy ny Krismasy sy ny Paka, na amin’ny fanao miharo finoanoam-poana misy fifandraisana amin’ny spiritisma.

Ahoana anefa ny amin’ny fomba amam-panao izay mety ho nampifandraisina tamin’ny fanao nampiahiahy tany aloha, nefa heverina voalohany indrindra ho fomba fanajana ankehitriny, ao amin’ny fiaraha-monina? Ohatra, fomba amam-panao maro amin’ny fampakaram-bady — anisan’izany ny fifanakalozana peratra sy ny fihinanana mofomamy — no mety ho nanam-piandohana avy tamin’ny fanompoan-tsampy. Midika ve izany fa voarara tsy hanaraka fomba amam-panao toy izany ny Kristianina? Takina amin’ny Kristianina ve ny handinihana amin’ny an-tsipiriany ny fomba amam-panao tsirairay ao amin’ny fiaraha-monina mba hahitana raha nifono heviny ratsy izy io tany ho any, na tany aloha tany?

Manazava i Paoly fa “izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana”. (2 Korintiana 3:17; Jakoba 1:25). Irin’Andriamanitra ny hampiasantsika io fahafahana io, tsy ho fampirisihana hanome fahafaham-po faniriana mafy feno fitiavan-tena, fa hampiofanana ny fahaizantsika mandinika mba hahaizantsika hanavaka ny tsara sy ny ratsy. (Galatiana 5:13; Hebreo 5:14; 1 Petera 2:16). Noho izany, rehefa tsy misy fandikana mazava ny foto-pitsipika ara-baiboly, dia tsy mamorona lalàna henjana ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Kristianina tsirairay kosa no tsy maintsy mandinika amim-pitandremana ny tarehin-javatra, ary mandray fanapahan-kevitra manokana.

Tadiavo izay hahasoa ny hafa

Midika ve izany fa mety foana ny handraisana anjara amin’ny fomba amam-panao iray raha mbola tsy mandika mivantana ny fampianaran’ny Baiboly izy io? Tsia. (Galatiana 5:13). Nasehon’i Paoly fa tsy tokony hitady ny hahasoa ny tenany fotsiny ny Kristianina iray, ‘fa ny hahasoa ny maro’ koa. Tokony ‘hanao ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra’ izy, fa tsy ho tonga vato mahatafintohina. (1 Korintiana 10:31-33). Koa ho tian’ny olona iray mikatsaka ny fankasitrahan’Andriamanitra àry ny hanontany tena hoe: ‘Ahoana no fomba fijerin’ny hafa io fomba amam-panao io? Misy heviny mampiahiahy ve izy io ao amin’ilay fiaraha-monina? Moa ve ny fandraisako anjara amin’izany toa milaza fa manaiky fanao na hevitra tsy mahafaly an’Andriamanitra aho?’ — 1 Korintiana 9:19, 23; 10:23, 24.

Na dia tsy manimba aza amin’ny ankapobeny ny fomba amam-panao sasany, dia mety hifanohitra amin’ny foto-pitsipika ara-baiboly ny fomba anaovan’ny olona eo an-toerana azy. Ohatra, ny fanolorana voninkazo amin’ny fotoana voafaritra tsara dia mety hanana heviny manokana izay mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly. Koa inona àry no tokony hahin’ny Kristianina iray voalohany indrindra? Na dia mety hisy antony tokony handinihana ny fiandohan’ny fomba amam-panao iray aza, amin’ny toe-javatra sasany dia zava-dehibe kokoa ny hiheverana ny hevitra fonosin’ilay fomba amam-panao eo amin’ny olona ankehitriny sy ao amin’ny faritra misy ny tena ankehitriny. Raha mifono heviny tsy araka ny Soratra Masina, na heviny ratsy hafa, ny fomba amam-panao iray mandritra ny fe-potoana manokana iray ao amin’ny taona, na ao anatin’ny tarehin-javatra sasany, dia mety ho fahendrena ny hanapahan’ny Kristianina hevitra ny tsy hanao izany amin’io fotoana io.

Nivavaka i Paoly mba hanohizan’ny Kristianina hampitombo ny fitiavany amin’ny fahalalana araka ny marina sy ny fahaiza-manavaka feno. Raha mihazona fomba fijery voalanjalanja momba ny fomba amam-panaon’ny besinimaro ny Kristianina, dia ‘manao izay hahazoana antoka ny amin’ireo zavatra lehibe kokoa [izy ireo], mba tsy hisy tsiny na hanafintohina ny hafa’. (Filipiana 1:9, 10, NW ). Etsy an-danin’izany, dia hanao izay ‘hahafantaran’ny olona rehetra ny fahalalany ny antonony’ izy ireo. — Filipiana 4:5, NW.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Araka ny voalazan’ny manam-pahaizana sasany momba ny olombelona, indraindray ny fehezam-boninkazo dia nampiasaina ho fanatitra ho an’ny maty, mba hisakanana azy tsy hihelohelo manodidina ny velona.

[Sary, pejy 26]

Tsy manana ny heviny tany am-boalohany intsony ny fomba amam-panao fahiny sasany, toy ny fanampenana ny vava rehefa manoaka sy ny fanolorana voninkazo ho an’ny olona nidonam-pahoriana