Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ireo Gazety Tsara Indrindra Misy”

“Ireo Gazety Tsara Indrindra Misy”

“Ireo Gazety Tsara Indrindra Misy”

TSY ela izay, dia naharay taratasy iray avy tamin’i Lisel, ankizivavy iray 18 taona, mpianatry ny lise any Etazonia, ny mpampanonta ny Mifohaza! Izao no nosoratany:

“Misoratra anarana ao amin’ny fianarana tantara, mitovy amin’ny any amin’ny oniversite, aho. Asaina mamorona lahatsoratra ilana fikarohana be dia be izahay, ary lahatsoratra momba ny fanoheran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Nazisma tany Alemaina, noho ny feon’ny fieritreretana, nandritra ny Reich Fahatelo, no nofidiko hatao. Tiako ny hanafatra ny lisitry ny loharanon-kevitra ao amin’ny faran’ilay lahatsoratra tao amin’ny Mifohaza! hoe ‘Les Témoins de Jéhovah: courageux face au péril nazi’, izay nivoaka tao amin’ny nomerao tamin’ny 8 Jolay 1998 (frantsay). Nanaovana fikarohana lalina ilay lahatsoratra ary nisy fandrindran-kevitra aoka izany tao amin’ny fomba nanoratana azy, hany ka raha mba ny antsasany monja amin’ny fiekena mafy sy ny fahamarinana nentina nanoratana azy no hanoratako ny lahatsoratro, dia ho fanambarana lehibe ho an’ny filan-kevitra izay hitsara ny asako no ho vokany farany.

Misaotra noho ny namoahanareo tsy an-kijanona ireo gazety tsara indrindra misy ireo. Ao amin’ny nomerao tsirairay, dia mahazo ‘fianarana momba ny asa soratra’ izay ambony kokoa noho izay rehetra atolotra any am-pianaranay aho, ka mahatonga ahy hikendry ny hihatsara foana, isaky ny manoratra lahatsoratra, izany. Aoka ho fantatrareo fa mankasitraka ny ezaka ataonareo aho.”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

Sary afovoany: Państwowe Muzeum Oświęcim-Brzezinka, courtesy of the USHMM Photo Archives